Politique

Praiminisitra Beriziky Miantso fanajana ny ambaratongam-pahefana ao amin’ny foloalindahy


  • Alarobia 25 Jolay 2012

Marary koa ny tafi-bahoaka ao anatin’izao krizy izao.

 Niatomboka tamin’ny fanonganam-panjakana notarihan’ny CAPSAT tamin’ny martsa 2009 nandalo tamin’ny raharaha RAS, FIGN, BANI ary ny fifamonoan’ny samy mpitandro ny filaminana tao amin’ny 1er RFI ny alahady 22 jolay lasa teo. Miaramila manana grady kaporaly antsoina hoe Kotomainty na Black no nitarika ny fikomiana farany teo raha tsiahivina. Eo anatrehan’ireo korontana isian’ny ra mandriaka ao amin’ny foloalindahy Malagasy ireo dia manao antso avo amin’izy ireo mba hiray hina sy hanaja ny ambaratongam-pahefana rehetra ny lehiben’ny governemanta. Hoy indrindra i Omer Beriziky : “Ry mpitandro ny filaminana ahitana ny tafika, ny zandary ary ny polisy. Aoka hiray hina amin’ny fanatanterahana ny adidy makadiry ankinin’ny firenena aminareo ianareo dia ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny fanajana ny ambaratongam-pahefana rehetra. Tandroka aron’ny vozona ianareo ka tokony hotandrovanareo ny hasin’ny asanareo”. Misy koa ny hafatra nampitainy ny mpanao gazety mba ho matihanina amin’ny asany ka hanamarina hatrany ny vaovao azony mialoha ny hamoahana azy amin’ny vahoaka.

“Andraikitra lehibe no sahaninareo amin’ny fampitana vaovao ry mpanao gazety. Manantena aho fa hanamarina ny vaovao am-pelatananareo ianareo mialoha ny hamoahanareo azy satria ny vaovao tsy marim-pototra no fototry ny honohono sy ny tsaho isan-karazany ary mampikorontana ny saim-bahoaka. Ka aoka samy hanaja ny fitsipika mifehy ny asanareo”. Tsy hadinon’ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana koa anefa ny nanentana ny vahoaka tsy hihinana am-bolony ka hanaiky horebireben’ny vaovao tsy marim-pototra.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT