Nandao an’i Madagasikara omaly ny praiminisitra Omer Beriziky, lasa nihazo an’i Bruxelles izay misy ny foiben’ny Vondrona Eoropeanina.
Ity no fivoahana any ivelan’i Madagasikara voalohany ataon’ity praiminisitry ny marimaritra iraisana hatramin’izay nahatongavany tao Mahazoarivo. Efa nampahafantatra io diany io izy nandritra ny fifanatrehany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny alakamisy 31 mey teo. Hihaona amina tompon’andraikitra maromaro avy ao amin’ny Vondrona Eoropeanina izy, anisan’izany i Andris Piebalgs, kaomisera eoropeanina misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana, mandritra izao diany izao. Tanjona amin’izany ny hamerenana indray ny sehatra fifanakalozana, hikarohana vahaolana sy marimaritra iraisana mba hanalefahana na hanafoanana tanteraka ireo sazy mihatra amin’i Madagasikara. Henjana dia henjana mantsy ny sazy nomen’ny Vondrona Eoropeanina antsika hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana teto tamin’ny 2009, ary hita ho tena nisy voka-dratsiny teo amin’ny toekarena izany.
Vantany vao voasonia moa ny tondrozotra tamin’ny 17 septambra 2011 dia nampanantena ny hanampy an’i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina, saingy tsara homarihana fa fanampiana mifantoka amin’ny fiahiana ny maha olona sy ny fikarakarana fifidianana ihany io, ary fanohizana na famaranana ireo tetikasa efa natomboka. Rehefa misy kosa ny mpitondra voafidim-bahoaka ara-pomba demokratika, izay vao tena mety hiverina ireo fanampiana ara-bola matevina tahaka ny FED na Tahiry Eoropeanina ho an’ny fampandrosoana. Andiany roa be izao no efa tsy azontsika tamin’izy io, kanefa mahatratra hatrany amin’ny 500 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azo amin’ny andiany iray monja.
Atoa Omer Beriziky moa dia mahafantatra tsara ny fomba fiasa ao amin’ny Vondrona Eoropeanina satria efa masoivohon’i Madagasikara tany Bruxelles ny tenany. Voalaza ihany koa fa hoe anisan’ireo olona atokisan’ny mpamatsy vola sy ny sehatra iraisam-pirenena i Beriziky. Ka ho hita eo ny zavatra mety ho vitany, efa mba nanezaka ihany mantsy tao anatin’izay telo taona izay ny mpitondra FAT nangataka fanampiana tany Eoropa tany, saingy tsy nahatafavoaka baolina mihitsy, na ny governemanta Roindefo na ny governemanta Vital. Ho hita eo ihany koa raha ho vitan’i Omer Beriziky ny hamafa ny sazin’ireo mpitondra tetezamita.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.