Nanamafy ny praiminisitra Omer Beriziky ny sabotsy lasa teo fa nisy tokoa ny fanitsahana ny andraikitry ny minisitry ny atitany, nataon’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana tamin’ny fanesorana ireo Ben’ny tanàna efatra tany Sofia ka nametrahana PDS.
Efa nofoanana moa ilay didim-pitondrana koa dia naverina tamin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna ireo. Minisitra 3 be izao mihitsy no nifampitaona tany Antsohihy nanatanteraka izany. Somary nahagaga ny mpanara-baovao ihany ity tranga ity satria, misy ny sonian’ny praiminisitra mazava tsara ilay didim-pitondrana nametrahana ireo PDS, avy eo anefa milaza indray ingahy Beriziky, fa hay tena tsy mety tokoa ny hoe Rtoa Ruffine Tsiranana minisitry ny fanapariaham-pahefana no manendry PDS amina Kaominina, fa dia anjaran’ny minisitry ny atitany Atoa Florent Rakotoarisoa no manao izany.
Tena tsy mahay ny asany ve ny praiminisitra sa mikipy sy mody fanina amin’ny zavatra tsy mety ataon’ireo minisitra eo ambany fahefany ? Sa ve tsy mamaky tsara ny taratasy tonga eo ambany masony ny praiminisitra fa tonga dia manasonia an-jambany fotsiny, dia rehefa avy eo miverina amin’ny fanapahan-keviny indray. Ny krizy, tsy mbola hita izay hamahana azy tanteraka, dia efa mamorona krizy vaovao indray ireo mpikambana anaty governemanta. Hisy ny fampifanatrehana ireto minisitra roa ireto, araka ny nambaran’ny praiminisitra Omer Beriziky ny sabotsy lasa teo ihany, ary tsy maintsy tanteraka amin’ity herinandro ity izany. Fa ankoatra izay dia mbola manitikitika ny maro ihany koa ny hahafantatra hoe : efa niresaka sy niera tamin’ny praiminisitra ve vao nandeha nanao be midina tany Antsohihy ny minisitra isany Florent Rakotoarisoa, Hajo Andrianainarivelo ary Harry Laurent Rahajason, sa tonga dia nandeha fotsiny, ka hilaza indray avy eo hoe lafiny teknika tanteraka no natao tany ka tsy tokony misy antony hampilazana ny praiminisitra ?
Azo atao hoe milamindamina ny fifandraisana eo amin’ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny filaminana anatiny, dia mipoitra indray ny olana sy fifanitsahana andraikitra eo amin’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana sy ny minisitry ny atitany, ary tahaka ny efa manomboka mahazatra dia tratra aoriana foana vao mikorapaka sy handeha hampihavana ny praiminisitra Beriziky fa tsy mba afaka nisoroka mialoha ny olana mety hiteraka savorovoro. Hamehezana azy dia hoy indrindra ny raim-pianakaviana iray hoe : «Dia tena mbola miana-draharaha marina angamba Atoa praiminisitra, ary antenaina mba ho zatra asa haingana, fa raha izany no mitohitohy dia ho raharaha be ihany, fa mety efa misy minisitra mamoaka volam-panjakana amina miliara ariary maro, ary efa tafatsoaka lavitra vao hanamarina ny tahirim-bola sy hanontany ny ao amin’ny Banky Foibe ingahy Beriziky. Ary ny tena loza dia hohararaotin’ny olona amin’io tsy fahaizany na fitavozavozany manapa-kevitra io izy...».
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.