Politique

Praiminisitra Beriziky Jean Omer «Ampio izahay hiala ao anatin’ny krizy»


  • Talata 29 Mey 2012

Niaritra ny fotaka malama sy dia an-tongotra adiny iray niaraka tamin’ny rehetra, ny praiminisitra Beriziky Jean Omer sy ireo delegasiona niaraka taminy, raha nametraka ny vato fehizoron’ny fanamboarana tohodrano hahazoana herinaratra tao amin’ny Kaominina Ampasimbe Onibe ny sabotsy 26 mey teo.

 Nandritra ny lahateniny no nilazany fa «miantoka fampandrosoana haingana ny hazavana, koa mahaiza manararaotra izany ianareo aty. Miteraka asa maro ny fisian’ny herinaratra tahaka izao, koa mahaiza ianareo mponina mikaroka». Nohararaotiny koa anefa ny fahitana ny solontenan’ny Vondrona Eoropeanina izay anisan’ny mpamatsy vola ny asa hatao ity. “Ampio izahay hiala amin’izao krizy izao”, hoy izy. Tokony hodinihana manokana ho an’i Madagasikara ny andininy faha-08 ao amin’ny fifanarahan’i Cotonou mikasika ny dinika politika sy ny andininy faha-96 momba ny sazy vokatry ny fanonganam-panjakana sy fihetsika ara-politika tsy demokratika», raha tsy misy vahaolana amin’ity taona ity ireo dia ho very ny vola be tokony hanaovantsika fampandrosoana mitentina 577 tapitrisa Euros avy amin’ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana (FED) andiany faha-10. Izay koa no nanafaran’ny praiminisitra ny vahoaka tao Ampasimbe Onibe sy ny Malagasy ny iarahan’ny rehetra miantoka sy manomana ny fanatontosana ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra atao atsy ho atsy. Ny minisitry ny angovo Razafindroriaka Nestor, ny filoha lefitry ny CST Ratsiraka Roland ary ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Atsinanana Randriamaharitra Philibert, dia samy nilaza avokoa, fa «efa fandaharanasa katsahana eo anivon’ny governemanta ny fametrahana ireo angovo azo havaozina, mba samy hahazo herinaratra avokoa ireo tanàna lavitry ny renivohitra.

Tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy hazavana». Ny mpiandraiki-draharahan’ny Vondrona Eoropeanina kosa nilaza fa «mitentina 420 tapitrisa Euros ny vola navoakan’ny vondrona hanaovana ny fandaharanasa momba ny herinaratra eny ambanivohitra ho an’i Afrika, Azia ary Pasifika. Mila mamaha haingana ny krizy politikany ny Malagasy raha te hahazo io fanampiana io». Ankoatra izany, tsy ny Vondrona Eoropeanina ihany no manana ny fandaharanasa, fa eo koa ny Firenena Mikambana amin’ilay fampihenana ny fahantrana amin’ny alalan’ny fanazavana ny tontolo ambanivohitra amin’ny firenena mahantra sy ny manodidina ny tanàn-dehibe rehetra mialoha ny taona 2030.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT