Hita ho somary mitandrina maneho hevitra nanomboka tamin’ity herinandro ity ireo mpanao politika. Misy ny milaza fa aleo aloha ho hita tsara izay fivoaran’ny toe-draharaha izay vao miresaka isika.
Niezaka ny mpanao gazety nikaroka vaovao ary namantatra ny antony mahamailo tampoka ireo mpanao politika, izay fantatra fa be resaka. Teo ary no nandrenesana resaka fa misy tetika maizina efa ketrehana any ambadibadika any, ka ny tanjona dia ny hanesorana amin’ny toerany ato ho ato ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Beriziky Jean Omer. Ny zavatra efa fantatra anefa dia tsy hametra-pialana mihitsy ny praiminisitra, ny tondrozotra ihany koa dia milaza mazava fa tsy afaka mifanongana ny andrimpanjakana, eny fa ny parlemanta aza. I Andry Rajoelina kosa, dia efa nilaza fa manome fahefana feno azy ny tondrozotra, ary manana ny fahefana filoham-panjakana izy. Inona no tiany hatao amin’izany ? Ny re aloha dia anarana roa no mandehandeha any fa mety hasolo an’i Omer Beriziky, dia ny jeneraly Sylvain Rabotoarison filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, ary efa anisan’ireo kandida ho praiminisitra taorian’ny nanasoniavana ny tondrozotra voatonontonona fa mety hapetraka eny Mahazoarivo koa i Edgar Razafindravahy, filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, kandida filoham-pirenena ofisialy nankatoavin’ny CES ary anisan’ireo olona tena nanampy an’i Andry Rajoelina, ka azo heverina hoe karazana tambin’ny nisintahany tsy ho kandida mba hampalalaka ny lalan’i Andry Rajoelina ny mety hanendren’ity farany azy ho praiminisitra.
Mazava ho azy fa tonga dia hisavorovoro indray ny tontolo politika raha toa ka mitranga ity kisarisary hanolo praiminisitra ity, dia ho avy indray ny fihaonana sy fivoriana etsy sy eroa, ho tonga eto Madagasikara indray i Joaquim Chissano sy ny ekipany avy ao amin’ny SADC, dia inona moa izany fa tsy mihemotra ny datim-pifidianana dia mitatra indray aloha ny tetezamita. Tena misy tokoa mantsy ny mpanao politika mahazo tombontsoa amin’ny fiitaran’ny tetezamita, ary satrin’izy ireo aza tsy hisy mihitsy ny fifidianana. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa mbola mampiasa mafy ny olony ny Frantsay satria tsy nahavita hatramin’ny farany ny iraka nampanaovina azy i Andry Rajoelina. Tsy mety amin’i Frantsa izany Marc Ravalomanana miverina eto Madagasikara izany, ary raha mbola azony atao dia sakanany amin’ny fomba rehetra ny haha filoha an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Mihodinkodina eo amin’izay avokoa ny zava-misy eto, fa mba atao fialana bala fotsiny ny ankoatra izay. Raha tsy tena tonga saina ka manova famindra sy mijoro hiaro ny tanindrazana marina ny mpanao politika, ny foloalindahy, ny firaisamonim-pirenena, ny vahoaka izay tompon’ny fahefana dia azo antoka fa hiverina eto indray ny mpanjanaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.