Praiminisitra Beriziky

> Mitady fitoniana na tsy tanteraka aza ny tondrozotra


  • Talata 10 Septambra 2013


Manoloana ny fanambarana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa mitsipaka io fifidianana io ny Ankolafy tarihiny dia nilaza ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer fa tokony hiroso any amin’ny fifidianana i Madagasikara satria raha hijanona foana eo amin’ny tetezamita dia tsy hivoaka ny krizy mihitsy. Tsy ho afa-po amin’ny fanapahan-kevitra ny rehetra, hoy ny Praiminisitra fa ny zavatra eken’ny maro kosa dia ny fifidianana ihany no vahaolana hialana amin’ny krizy ary efa manaiky sy vonona hanohana ny fanatanterahana izany ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Ny zavatra hokatsahina, hoy izy dia ny hahatanterahan’ny fifidianana madio sy mangarahara ho eken’ny rehetra, ary efa miezaka ny fitondram-panjakana mba hisian’ny filaminana sy fitoniana. Averiko ihany hoy ny Praiminisitra Beriziky fa ny tondrozotra no iankinan’ny rehetra na dia tsy tanteraka an-tsakany sy an-davany azy, izay tsy hadisoan’ny olona iray fa samy tompon’andraikitra amin’io daholo ny rehetra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT