Politique

Pr Zafy Albert “Rehefa tsy mahavita dia mialŕ!”


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011


Niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana avy aty Antananarivo izy tamin’io, ka nilaza tamin’ny teny hentitra, nanakiana ny FAT, fa rehefa tsy mahavita dia mialà, ary rehefa tsy mahita lalana aleha dia mijanona !. Ny fifidianana kosa no nanompanan’i Kotomanantsoa Rémi, filohan’ny Rodobe Toamasina, ny lahateniny ka nanambarany fa fidirana antsokosoko ao anatin’ny Repoblika faha-04 ny fifidianana mandeha ila sy ataon’ny FAT amboletra io. Tsy azo ekena izany raha tsy mipetraka aloha ny tetezamita iaraha-mitantana, hoy izy.

Andiany faha-04 amin’ny hetsiky ny Rodobe Toamasina tamin’ny sabotsy io. Tonga maro nanohina ny antso ny vahoaka ary manomboka mipoitra sy hita ihany koa ireo mpanao politika ary ireo fikambanana somary nanepoka kely tao ho ao noho ny tahotra. Samy nilaza ny fahitany ny zava-misy avokoa ireo nandray fitenenana rehetra. Iandro Robertson dia nanambara fa efa tsinjo ny faran’ny ady ataontsika ho fanavotam-pirenena, koa miraisa hina hatrany. Ny solontenan’ny vehivavy kosa nanamarika fa ny reny no tena mahita sy miaina isan’andro ny fahoriana sy ny fahantran’ny ankohonantsika, koa noho izany miala ny FAT fa ny fiverenan’ny filoha isany Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka no vahaolana. Ho an-dRadebason kosa dia niverenany ny “raharaha 07 febroary” ka nilazany fa hisy tsiambaratelo ho fantatrareo sy holazaiko eto amin’ny sabotsy, ho fantatsika eo iza no tena mpamono olona sy nampamono olona teto. Ny Me Rasamimaka Mahefalahy kosa dia nanentana ny vahoakan’i Toamasina hiomana dieny izao amin’ny fitsenana makotroka ny filoha Ravalomanana sy ny amiraly Ratsiraka, ato ho ato hanarina sy hamaha ny krizy Malagasy.

 

Rakoutou

 

Sary : Mpitarika ny Rodobe Toamasina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT