Politique

Pr Zafy Albert Naleony manoratra boky tantara


  • Alakamisy 18 Febroary 2016

Nangina tsy dia nandrenesam-peo na naneho hevitra politika efa fotoana elaela izay ny filoham-pirenena teo aloha (27 martsa 1993 – 5 septambra 1996), Pr Zafy Albert.

 

 Izy moa dia mpikambana tao amin’ny Herivelona Rasalama (1991-1993), mpanorina ny antoko U.N.D.D. (Union nationale pour la démocratie et le développement) tamin’ny 1988 ary nitarika ny C.R.N izay niforona tamin’ny 2002.

 Tsy mbola nisintaka eo amin’ny sehatra politika ny Pr Zafy Albert, hoy ny minisitry ny asam-panjakana teo aloha sady anisan’ireo olona novolavolain’ity filoha teo aloha ity, Tabera Randriamanantsoa fa manararaotra ny fotoana hanoratany boky mirakitra ny marina amin’ny tantaran’i Madagasikara. Efa mandroso rahateo ny taonany, satria 89 taona ny Pr Zafy Albert ankehitriny, hoy izy. Manan-kambara mikasika ny marina mikasika ny namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava ve i Profesora ? Hamaky bantsilana ny tetika nikotrehana ny nampiatoana azy tamin’ny asa maha filoham-pirenena azy ve izy ? Maro ny fanontaniana tsy mbola voavaly fa mijanona ho misitery hatramin’izao mikasika ny tantaram-pirenena. Tsy nanome ny antsipirihany mikasika io boky io anefa i Tabera Randriamanantsoa, fa ny hany nambarany dia  efa mamaramparana ny fanoratana i Pr Zafy ary boky telo (3 tomes) izao no efa vonona araka ny filazany, ary tokony hivoaka amin’ity taona 2016 ity . Na izany aza, manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ny filoha teo aloha, nalaza tamin’ny « satroka penjy », indrindra ny amin’ny fanavaozana ny lalàna manangana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa ; ny fampihavanam-pirenena izay nimatimatesan’ny CRN (Comité pour la réconciliation nationale) hatramin’ny 2002 nijoroany ary mbola itoloman’ny Pr Zafy Albert hatramin’izao ny hanatanterahana izany. Miandry izahay ary maniry mba te hahita ny votoatin’izany fanavaozana ireo rijanteny vaovao manangana ny FFM izany, hoy i Tabera Randriamanantsoa manohy ny fanazavany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT