Politique

Pr Zafy Albert Naeliny ho fanta-bahoaka ireo fahotana vitan’ny FAT


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Olona nifanitsa-kitro tanteraka no niandry ny ampamoaka lehibe nampanantenain’ny Pr Zafy Albert tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

 Notanterahiny tokoa izany, ary ankarihary no nitaterana ny zava-misy ataon’izao fitondrana FAT izao. Izy tenany no nilaza fa : valandresaka ho an’ny mpanao gazety imasom-bahoaka ity. “Azoko natao tany an-trano izy ity na tany amin’ny toeran-kafa nefa dia izao entina an-kianja izao”, hoy izy. Milaza Rajoelina fa mety ny tetezamitany, hoy izy, fanjakana tsara tantana sy manara-dalàna, hono, ny azy ary milaza koa izy fa manam-bola be ka tsy mila ny Vondrona iraisam-pirenena hanampy amin’ny asa sy ny fanatanterahana fifidianana. Avy dia any am-bovonana ny valin-kafatra nentin’ny Pr Zafy Albert, niainga tamin’ny fampahatsiahivana ny tenina raiamandreny iray tafaresaka taminy nilaza fa manankarena i Madagasikara fa ny vahoakany mahantra.

Marina io teny io, hoy ny filoha Zafy satria ratsy tantana loatra ny FAT ary volam-bahoaka ihany no ahondikondina. Dia nanomboka tokoa ny fitanisana ireo zava-tsy manjary nataon’ity fitondrana FAT ity narahina porofo, tahaka ny fividianana helikôptera “Alouette II” miisa 4, izay nambarany fa helikôptera brokantera novidiana tany Belzika tamin’ny volam-panjakana ka nahazoan’ny FAT tombony an-tapitrisany. Vola amina miliara koa no voahodinkodina tao amin’ny ladoany, araka ny fitanisan’ny Pr Zafy Albert azy hatrany.

Novakiany bantsilana koa ny fampitomboana faktiora amin’ny fividianana fitaovana ao amin’ny ny Banky Foiben’i Madagasikara. Mikasika ny afera «bois de rose» : feno Sinoa ao Antalaha miandry ny fanaovana tolobidy azy io ary ao anatin’io daholo ny anaran’ny mpitondra FAT, ny namany sy ny mpandraraha akama. “Tena gisalahy mangala-ketsa ireo, ka izany ve no tetezamita tsara tantana ?”, hoy ny Pr Zafy Albert. Nambarany fa heloka bevava atao amin’ny zanak’olombelona ihany koa ny fandarohana lakrymôzena nataon’ny FAT amin’ny vahoaka maneho hevitra am-pilaminana. Olom-bitsy no mampahantra ny Malagasy ary tena be hatoka ka antenaiko fa hitsangana hanohitra an’izany ny Malagasy, hoy ihany ny Pr Zafy Albert. Dia nanonona anaran’olona maro izy tamin’izany. Efa eny am-pelatanan’ny fitsarana avokoa ny antontan-taratasy rehetra amin’ireo voalaza ireo, araka ny nambarany ka miandrandra ny fahaleovantenan’izany fitsarana izany tokoa ny vahoaka.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT