Ny fiantsoana tety amin’ny Villa Elisabeth dia ny delegasion’ny ankolafy Zafy Albert tarihan’ny Pr Miandrisoa Jean Marcel no nanao ny fanasana sy nanomana ny lanonana, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana.
Nasaina daholo ny rehetra tsy nanavahana an’iza na iza. Izahay ato amin’ity ankolafy ity, hoy izy, dia foto-kevitra no ijoroanay ato ary voalohany indrindra amin’izany ny fampihavanam-pirenena izay imatimatesan’io Raiamandreny iaraha-manana io. Izay tsy tonga tsy fantatray ny antony fa misy ny tsy tonga, nisy ny niala tsiny noho ny antony samihafa. Raiamandrenin’ny rehetra ny Pr Zafy Albert mivady. Fa ny hafatry ny Prezidà amin’ireny rehetra ireny dia tsotra ihany : “tsy mahavaha olana io tondrozotra io, ka aza mizizo amin’izany ianareo izay ao anatiny ao fa tsy mahavita ary manimba zavatra”. Marihiko, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomana fa miteraka resabe foana tao ho ao ny amin’ny fitantanana ny ankolafy ka ambara mazava etoana fa ny mitantana ny ankolafy Zafy Albert dia izy tenany, izahay dia mpanatanteraka baiko an-tsitrapo. Ato tsy misy resaka ady aman’olona fa foto-kevitra no ijoroana.
Raha mikasika ny votoatin’ny kabary naharitraritra ihany nataon’ny Profesora dia nilaza Rtoa Lalatiana Ravololomanana fa tsy miova mihitsy ny fomba fijerin’ny Prezidà Zafy Albert. Ny fahitany ny toe-draharaha politika ankehitriny dia tsy milamina ary tsy mampilamina ny zavatra ataon’i Andry Rajoelina sy ny mpiara-komana aminy. Mazava tsara ny kabariny teo fa tsy maintsy mitady vahaolana isika samy Malagasy, hoy izy, ary manomana izany fihaonana iharan’ny samy Malagasy mifampidinika izany. Nazava tsara ihany koa ny teniny teo hoe : tsy hahatafavoaka antsika io tondrozotra io raha araka izao fanatanterahana azy izao ka izay no nanaovany antso avo, satria hitantsika tonga namaly ny firariantsoa azy mivady ireo namany taloha sy ny ankehitriny izay mbola mitana ny foto-kevitra ijoroany sy ny fiheverana hanavotana ity Madagasikara ity izay iombonana hevitra tanteraka aminy ary ao koa ireo olom-baovao be dia be tonga manome tanana ilay tolona atao. Mazava ny hafatry ny Pr Zafy Albert : tsy milamina ny firenena, potika ny fiainana isan-tokantrano, mahantra ny Malagasy, tsy mandry fahalemana isika eto Madagasikara ary ripaka ny harem-pirenena. Eo anatrehan’izany rehetra rehetra izany dia mila misikim-ponitra isika Malagasy, mila mitsangana isika fa tsy avelantsika ho ny vahiny no handidy hanapaka ny hoavin’ity tanindrazana malalantsika ity.
Fa anisan’ny nandray anjara fitenenana omaly, tamin’ny anaran’ny ankolafy Zafy, ny Pr Miandrisoa Marcel. Nivoitra tamin’ny lahateniny ny hetsika izay hatao eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia amin’ny 17 janoary 2012 ho avy io.
Mpanao politika avy amin’ny firehana samihafa no tazana teny amin’ny Villa Elisabeth omaly, nanotrona ny profesora Zafy mivady. Teo ry Mamy Rakotoarivelo, Fetison Rakoto Andrianirina, Ramasy Adolphe, Betina Bruno, Vaovao Benjamin, Désiré Rakotoarijaona, Alain Tehindrazanarivelo, Gilbert Raharizatovo, Gabriel Razakarimanana, Me Willy Razafinjatovo na Olala, minisitra vitsivitsy toa an’i Ruffine Tsiranana, Dr Randriamiandrisoa Joseph. Tonga teny koa ny talen’ny kabinetran’ny praiminisitra Beriziky, Charles Clément Sévérin ary Tangalamena, olobe, ampanjaka, mpiasam-panjakana ambony ary mpandraharaha ara-toekarena maro. Nandray anjara nivantana tamin’ny fanafanana ny lanonana ny mpanakanto Thierra Bruno.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.