Politique

Pr Zafy Albert Miala Rajoelina fa mampahantra ity firenena ity !


  • Alakamisy 01 Martsa 2012

Maro ny zavatra efa noteneniko mikasika an’i Andry Rajoelina sy ny manodidina azy izay tena mampahantra ity firenena ity, hoy ny Pr Zafy Albert, tao amin’ny kabary fanokafana ny hetsika Diniky ny samy Malagasy omaly teny amin’ny Villa Elisabeth.

Hararaotiko ity fihaonana ity, hoy izy, mba hamerenako izay efa nolazaiko, fa maro ireo vahoaka tsy maheno noho ny fanapenam-bava ny fampitam-baovao. Averiko indray fa ity fitondrana ankehitriny ity no mampahantra ny firenena ka tsy mendrika ny hitondra ny tetezamita. Izaho no nametraka an-dRajoelina ho filohan’ny tetezamita tany Maputo, hoy izy, saingy rehefa hitako fa tsy azo hitokisana izy dia notsoahiko ampahibemaso izany. Tena mampahantra ny vahoka ny fandrobana ny harem-pirenena ataon-dRajoelina sy ny forongony, hoy ny Pr Zafy Albert ary tsy mbola nisy fitondrana mpanao risoriso “corrompu”, tahaka ity hatramin’izay. Matahotra ny hiala amin’ny fitondrana, noho ny ratsy nataony izy ireo fa saika mpanao risoriso avokoa. Ministera telo aman’efatra no tena mambotry ny firenena, hoy izy ankoatra ny ao Ambohitsorohitra sy Iavoloha, dia ny ministeran’ny angovo (ao anatiny ny Omnis), ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (ao anatiny ny Pascoma), ny ministeran’ny jono ary ny ministeran’ny fitaterana sy ny ministeran’ny fitantanam-bola sy tetibolam-panjakana.

Dia ao koa ny Kraoma, Ladoany ary ny fitsarana. Mbola trangan-javatra nitoerana risoriso avo lenta ihany koa ilay resaka fividianana helicoptera 4 (allouette II) avy amin’ny Belge, hoy ihany ny Pr Zafy Albert fa nahatratra 6 miliara volantsika na 185.000 euros no tombony azon’ity fitondrana ity nanafatra azy io nefa tsy hita anaty volam-panjakana izany. Mbola risoriso avo lenta hafa koa ny fananganana “cellule operationnelle” nivarotana ny varin-dRavalomanana nefa tsy hita popoka ny vola azo tamin’izany. Mbola hitaky ny volany anefa ny banky tompom-bola nanafatra ireo vary ireo. Ary teo amin’ny resaka andramena na “bois de rose” dia nohitsian’ny Pr Zafy Albert fa nosamborina fahatany fotsiny ireo olona nendrikendrehana ho tompon’antoka fa ao anatin’io i Andry Rajoelina. Tsy tafaverina ny “bois de rose” tratra any Maorisy, hoy izy, fa misy anjaran-dRajoelina sy Atoa Mamy Ravatomanga ary ny Praiministra niaraka tamin-dRajoelina teo, ary ireo lehibe sasany ao amin’ny tafika Malagasy.

Mbola nanononany anarana nivantana tahaka izany koa toa an-dry Mamy Ravatomanga ihany, ny komandan’ny zandary, ny fitondrana an-dalana kaontenera nentina kamio 3 nisy andramena ka kolonely iray no “convoyeur” ary baiko avy amin-dRajoelina ny tsy azo hanakanana izany (tany Manambaro Fanambana no nisehoan’izany). Tena ampamoaka goavana, arak’izany, no nataon’ny Pr afy Albert omaly teny Ivandry, ary nohitsiany teo imason’ny vahiny nasaina ihany koa fa tsy ny tondrozotra, na CST sy CT sy io fivoriana tsy ara-potoana tsy misy farany io ary koa tsy io governemanta io, na ny Ceni dradradradraina lava izao no hahafaka ny olana eto amintsika. Fa hivoaka ny fehin-kevitr’ity Diniky ny samy Malagasy ity anio alakamisy 1 martsa dia ho hita eo ny tena vahaolana avy amin’ny mpizaika.

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT