Politique

Pr Zafy Albert Marary mafy, hotsaboina any Maorisy


  • Alakamisy 12 Oktobra 2017

Voatery naiditra hopitaly noho ny aretina nahazo azy nanomboka omaly 11 oktobra ny filoha teo aloha Zafy Albert sady filoham-boninahitry ny antoko UNDD (Union nationale pour la démocratie et le développement).

 

Nentina teny amin’ny hopitaliben’i Befelatanana ny tenany, ary voatery nafindra teny amin’ny polyclinique Ilafy avy eo noho ny fahasarotan’ny aretina. Raha ny vaovao tsy mbola ofisialy, resaka fahatapahan’ny lalandra na AVC (Accident Vasculaire Cérébral) no nahavoa azy. Tsy nahatsiaro tena ny tenany ary voalaza fa tao anatin’ny atao hoe "état comateux avec un Glasgow 9-10", raha ny fanazavana ara-teknika. Tsy mbola nanamarina na nandiso ny momba io aretina nahazo azy io kosa ireo olona akaiky azy amin’izao, fa ny hany nambaran’izy ireo, dia ny hoe efa mikarakara ny mpitsabo. Raha ny vaovao azo omaly hariva kosa, dia halefa hotsaboina any amin’ny Nosy Maorisy anio maraina ny tenany. 90 taona ny Pr Zafy amin’izao, ary sokajiana ho oloben’ny fanaovana politika teto Madagasikara. Vavolombelon’ny tantaram-pirenena mihitsy ity raiamandreny be fantatra amin’ny satroka penjiny ity, ary tsy azo nihodivirana tamin’ny raharaha politika rehetra teto Madagasikara. Tamin’ny taona 1972-1975, dia minisitry ny fahasalamana sy ny raharaha sosialy ny tenany. Voafidy ho filoham-pirenena Malagasy ny 1993-1996. Hita hatrany tamin’ny tontolo politika ny tenany ary anisan’ny nahafantarana azy ny fitarihana ny CRN (Comité de Réconciliation Nationale). Tsy mbola azo hihodivirana amin’ny resaka fitadiavam-bahaolana politika eto amin’ny firenena satria nantsoina foana na tamin’ny raharaha 2002, 2009,… Tsy dia manana olana firy amin’ny mpanao politika eto amin’ny firenena ny Pr Zafy ary misokatra hatrany amin’ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra hitadiavam-bahaolana ho an’ny firenena. Vao volana vitsivitsy izay no nisian’ny fihaonany tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nenti-nifampiresaka ny raharaham-pirenena. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia mirary fahasitranana sy fahasalamana ho an’ny filoha teo aloha Zafy Albert.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT