Mandra-piandry izay hambaran’ny fitsarana tamin’ny fitoriana napetrany dia nanamafy tao amin’ny Radio France Internationale (RFI) ny profesora Zafy Albert fa tafiditra amin’ny raharaha fanapahana sy fanondranana boaderozy i Andry Rajoelina.
Tena mahitsy ny fomba filazany azy fa tsy mivilivily, ary tsy vao izao izy no niteny izany. Siosion-dresaka efa hatramin’ny 2009 io filazana ny fijabahan’i Andry Rajoelina sy ny namany amin’ny raharaha boaderôzy io. Efa nisy mihitsy ny mpandraharaha sinoa nilaza izany tany ivelany tany, saingy raha teto Madagasikara aloha dia tsy nisy mbola nisy sahy nanambara mivantana, ankoatra an’ny Profesora Zafy. Henjana dia henjana ilay fiampangana ary tsy fiteny raha tsy ananana porofo. Koa matoa sahy miteny ny Profesora Zafy dia mety manana porofo, araka ny efa nambarany marina angamba izy.
Mampametra-panontaniana ihany koa ny hoe : nifanojo indrindra tamin’ny fanesorana ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala, izay olon’ny ankolafy Zafy, no nanao izao ampamoaka goavana tamin’ny RFI izao ny Profesora Zafy. Fa ny andrasan’ny mpanara-baovao izao dia ny hoe : mety hanao ahoana re no ho fihetsiky Andry Rajoelina sy ny tandapany e ? Hanao ho tahaka ny tsy misy ilay fanambarana ve, sa hamaly bontana ka hitory ihany koa ny Profesora noho ny fanalam-baraka nataony, raha toa ka tsy marina ilay izy ? Araka ny filazan’ny Profesora Zafy Albert moa dia, tokony hiala mihitsy i Andry Rajoelina fa tsy mendrika azy intsony ny ho filohan’ny tetezamita, noho izy tafiditra ao anatin’ny trafikana boaderôzy. Manana anjara andraikitra goavana ao anatian’izao raharaha izao koa ny fitsarana sy ny mpanao fanadihadiana eto amintsika, satria rehefa nisy ny fitoriana napetraka dia mba tokony hisy kosa ny fanadihadiana, mba hanamarinana na handisoana io fitoriana io.
Fa raha sanatria moa mody fanina ny fitsarana, dia voaporofo indray izany fa mbola ambany ziogan’ny mpitondra fanjakana ry zareo, koa dia resabe nampandriana adrisa fotsiny ilay nambaran’ny SMM fa tsy hanaiky handray baiko na teny midina avy amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika intsony izy ireo, nanomboka tamin’ny volana febroary 2012 lasa teo. Tena mba mahagaga ihany koa, fa na inona na inona ambaran’ny Profesora Zafy Albert, dia tsy sahy mampiantso azy hatao fanadihadiana na misambotra sy mitazona am-ponja vonjimaika azy ny “manampahefana”. Re siosio ihany fa misy “manampahefana” nieritreritra ny hisambotra ity filoham-pirenena teo aloha ity, saingy tsy tanteraka izany. Raha olon-kafa anefa no nampifandray ny anaran’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny trafikana boaderôzy izany, dia efa asa fotsiny angamba izay be midina nataon’ny Emmo-Reg sy ny FIS, tsy ferana koa ny DST !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.