Mitety ny faritra avaratry ny nosy amin’izao fotoana ny Pr Zafy Albert ka miezaka mitafa sy miresaka mivantana amin’ireo mponina sy fikambanana samihafa mahakasika ny raharaham-pirenena.
Ny omaly alakamisy 06 septambra 2012, tolakandro, dia tao amin’ny “Hotel de la Poste” Antsiranana no nihaonany tamin’ireo mpomba azy sy ireo liana tamin’ny raharaham-pirenena. Nambaran’ny Pr Zafy Albert fa «tsy namokatra ny fampihaonana an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana» ka tsy maintsy hiditra amina dingana hafa izy ireo (Pr Zafy) ato ho ato ka ny faran’ny volana septambra ho avy raha tsy misy ny sampona dia hisy ny fihaonambem-pirenena omanin’izy ireo. Antony, hoy ity filoham-pirenena teo aloha ity, dia tsy mahavaha olana ny SADC ka toy ny tamin’ny taona 1991 tao amin’ny hotely Panorama no haverina amin’ny fomba vaovao, izay ny samy Malagasy no nandrafitra azy ka nivoahana tamin’ny krizy satria tsy tafavoaka ny firenena fa miha lalina hatrany ny olana.
Anisan’ny nomarihiny fa tsy manana fahefana hanasazy akory ireo mpitondra tetezamita ny SADC ka manao izay tiany hatrany izy ireo. Nohamafisiny fa tsy misy zavatra mandeha eto amin’ny firenena fa olona iray arovan’ny tafika no mitondra ka izay tiany atao no ataony. Tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana ary mivadika fikomiana mihitsy ny ataon’ny dahalo fa tsy asan-dahalo tsotra toy ny hatramin’izay, ary matoa ny dahalo sahy mihantsy ny mpitandro filaminana dia misy antony. Fa mahakasika ny asan-dahalo dia nitondrany fanazavana fa tsy goavana noho ny fanondranana sy famotehana ny harem-pirenena io, hoy izy, satria tsy hitovy amin’ny sandan’ny volamena an-kilao miondrana mihitsy ny vidin’ny omby fa ambany lavitra kanefa amin’izao fotoana dia gorobaka tanteraka ny fanondranana izany ataon’ny mpitondra.
Nohamafisin’ny Pr Zafy Albert fa tsy hisy fifidianana izany amin’io taona 2013 io fa resabe fotsiny io raha ny zava-misy amin’izao fotoana no kajiana ary na hanao amboletra aza ny mpitondra dia tsy hisy hankato toy ilay lalàmpanorenena nataony iny ihany izany ka ho potika ihany ny firenena. Tsy maintsy hisy ny tetezamita tena izy, eken’ny rehetra sy ankatoavin’ny vondrona iraisam-pirenena ka io no tena hanomana ny fifidianana mba tsy hiverenan’ny krizy intsony. Araka izany dia tokony haverina harafitra ny andrim-panjakana ka apetraka ny fifandanjana ara-politika, hoy ny Pr Zafy.
Raha nanontaniana ny mety hitarihiny ny rafitra fampihavanam-pirenena ny tenany dia nilaza fa efa napetraka tany Addis-Abebas izany saingy misy ireo olona matahotra ny hitarihiny izany satria tsy maintsy hamoaka tsiambaratelo ny tenany. Raha ny zava-nisy dia tsapa fa tena liana tokoa ireo mponina tonga niatrika ny fotoana ka saika tsy ampy ny fotoana nihaonana fa dia tsy maintsy naato ny resadresaka fa hariva ny andro. Fantatra fa mbola hitety Distrika maro ny tenany amin’izao diany aty avaratr’i Madagasikara izao.
Caïus Raharison (Antsiranana)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.