Naneho ny heviny mikasika ny fihaonam-be an-tampon’ny firenena miteny Frantsay hotanterahina eto amintsika ny profesora Tsiavaliky, ao anatin’ny fikambanana Apostoly 12 lahy.
Nambarany fa “tokony ho any atsimo toy ny ao an-tampon’i Ihorombe no handraisana ny hetsika tahaka itony, fotoana izay mila hararaotina hananganana tanàna vaovao”. Sady hahazo asa mantsy ny mponina any an-toerana no handroso ihany koa ny tanàna ary dia ho foana miandalana ny kere izay mamono olona maro ankehitriny. Olan’Antananarivo manokana mantsy raha araka ny nambarany raha 800.000 isa ny olona tokony ho zakany dia efa tafakatra 3 tapitrisa isika ankehitriny. Manampy trotraka izany, hoy i Tsiavaliky Celestin ny fisian’ireo olona sahirana miparitaka eran’ny tanàna izay mety hitondra fahafaham-baraka ho antsika. hoy izy, satria tsy hita izay toerana hametrahana azy. Sa hoferana ireo vahiny ho avy eto tsy handalo amin’ny toerana misy azy ireo ? Notsindrian’i Tsiavaliky fa tsy tokony hijanona ho an’Antananarivo irery ny tombontsoa ho azo amin’ny fampiantranoana ny Frankôfônia fa ho an’ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.