Politique

Pr Tsiavaliky Célestin Atahoran’ny Frantsay ny Malagasy any Atsimo


  • Talata 27 Desambra 2016

Ny mpanjanaka antsika no nampiditra olana mikasika ny resaka omby teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fivoizana fa ny

Tatsimo no mpangalatra omby, hoy ny Profesora Tsiavaliky Célestin, raha nanao tombana mikasika ny vokatry ny fampirantiana izay nataony mitondra ny lohateny hoe : “Foanana ny halatr’omby” omaly tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Voaporofo ara-tsiantifika fa diso ny fiheverana hoe : ny zazalahy hanambady dia tsy afaka ny hahazo vady raha tsy mangalatra omby satria tsy ny zaza sy ny ankizy mihitsy no afaka hametraka kolontsaina ao amin’ny fiarahamonina iray. Ny Mpanjaka na Lonaky na Mpitana hazomanga sy ny toy izany ihany, raha ny fanazavany, no afaka mampita ny kolontsaina amin’ny taranany. Tsy matin’ny Frantsay lolo tamin’ny fampandriantany nataon-dry Gallienni ny faritra Atsimo satria tsy nety nanaiky ny fanjanahantany ka natahoran’ny Frantsay hipoirana filoham-pirenena hamalifaty azy ireo ary hahavery ny tombontsoany eto Madagasikara. Mbola mitombina hatramin’izao, hoy i Tsiavaliky Célestin, io fahatahoran’ny Frantsay ny any Atsimo io ka antony mbola mampitoetra ny hevi-petsin-dry zareo.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT