Niharan’ny rihatra avy amin’ny mpanao politika maro ny Bianco noho ny famoahany dosie mahakasika ny CST Tehindrazanarivelo Alain fony ity farany mbola praiminisitra lefitra.
Ampangain’ireo mpanao politika ho fitaovana ampiasain’ny fitondram-panjakana hanenjehana ireo tsy mitovy hevitra aminy ity birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ity. Manoloana ireo tsikera mavaivay dia nitondra fanazavana momba ny fomba fiasany izy. Nohazavainy fa miainga amin’ny fitarainana ny fanaovany fanadihadiana ka tsy angatahany alalana avy amin’iza na amin’iza sady tsy ijerena tavan’olona ihany koa izany. Momba ny raharaha Tehindrazanarivelo Alain dia nambaran’ny Tale jeneralin’ny Bianco, ny jeneraly zandary Rabetrano Faly, fa manaraka ny fepetra takian’ny lalàna ny fanadihadiana natao. Ny famoahana ny mombamomba izany any amin’ny haino aman-jery, hoy izy dia tsy avy amin’ny Bianco.
Momba ny filazana fa nasaina namorona dosie ny Bianco hanenjehana an’i Tehindrazanarivelo Alain dia nilaza ny Tale jeneralin’ny Bianco fa fifanandrifian-javatra ny nampitana ny raharaha any amin’ny fitsarana amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao, satria izay vao vita ny fanadihadiana rehetra. Nampiany koa fa tsy misy hifandraisany amin’izay firehan’ny olona tsirairay mety ho voakasik’izao raharaha izao ny asa natao fa kosa nisy volam-panjakana an-jato tapitrisany maro voahodikodina ka rariny loatra raha hadihadiana izay rehetra tompon’antoka tamin’ny fikirakirana sy namoaka izany volam-bahoaka izany. Loharanom-baovao hafa no milaza fa 700 tapitrisa Ariary io vola io, navadika ho sekin-tsolika, dia navoaka tao anatin’ny roa volana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.