Ara-bakiteny ny loabary an-dasy nokarakarain’ny fianakaviana Ranjeva ny faran’ny herinandro teo. Natao ankalamanjana izany tamin’ity indray mitoraka ity nandritra ny fisintahana kely teny Bematory, lalana mihazo an’Imerinkasinina ny sabotsy 14 aprily teo, izay nanasany olom-pirenena tsy ankanavaka.
nitondrany fanazavana misimisy kokoa ny mikasika ilay raharaham-pitsarana nahavoarohirohy azy sy i Bozy zanany vavy tamin’ny 21 martsa 2012. “Mba tiako hazava tsara amitsika iny resaka fitsarana iny. Ny antony dia misy ny olona tsy maty voalavo an-kibo, ary tsy vitan’ny hoe tsy maty voalavo an-kibo, fa resaka politika iny fitsarana iny” , hoy izy. Mikasika ny didim-pitsarana dia tsotra, hoy ny Pr Ranjeva Raymond : “nahantona ny fanenjehana an’i Riana na i Bozy zanako. Izany hoe hadisoana mihoapampana ny nampidirana azy tamin’iny resaka fitsarana iny. Mikasika ahy dia nafahana madiodio.
Tsotra no dikan’izany. Ny zavatra niampangana na nolazaina fa natao, na noforonina no marimarina kokoa, dia tsy mitombina ary tsy nekena ho marim-pototra. Misy dikany lehibe izay zavatra izay. Ny zavatra fantatra rehefa nojerena ny dosie dia zavatra tsotra no tao, antso an-tariby milaza hoe «Pehana ireo olona ireo !». Tsy misy filazana hoe izao no antony, izao no nataony fa dia pehana”. Koa ilaina fahamalinana izay zavatra izay, hoy ny Pr Ranjeva Raymond, satria raha eto amintsika izany dia tondro molotra, honohono, resaka foronina, dia mety hahitana loza.
Nilaza tsy ampihambahambana ity mpitarika ny Hetsika Vonjy Aina ity fa nanomboka tamin’iny fitsarana nahazo azy iny, dia arahin’izao tontolo izao maso akaiky rehefa mety ho fitsarana ny raharaha politika eto Madagasikara. Tsy nanafina ny Pr Ranjeva Raymond fa izy no nanaitra ireo ivontoerana rehetra, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, afaka hanara-maso ny raharaha fitsarana politika eto Madagasikara. Mikasika ny raharaha politika eto amin’ny firenena indray dia “mikatso” ny raharaha. Fanontaniana no apetrany hoe ahoana no hiverenan’ny fahendrena sy ny fahalalan’ny Malagasy tsy hanaotao foana ? Zavatra fantatra fa tsy handeha mantsy dia mbola manao kiribiby, manantena fahagagana. Tazana tamin’ity fihaonana ity ny jeneraly Ranjeva Marcel, minisitry ny raharaham-bahiny tamin’ny fitondrana Ravalomanana sy Ranjeva Henri, Talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena tamin’ny minisitra Razafinjatovo Hajanirina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.