Rafanomezantsoa Roger Marie, mpikaroka manampahaizana momba ny simia sady Tale jeneralin’ny CNRIT, filohan’ny Rarivato sady efa filohan’ny Filankevitry ny minisitry ny firenena ACP (Afrique-Caraďbes-Pacifique) fony izy minisitry ny varotra sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina. Nisy ny tafa nifaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Nivoaka iny ny tetiandrom-pifidianana. Tena azo antoka ve fa hamoaka antsika amin’ny krizy ny fifidianana raha izao zava-misy izao ?
Rafanomezantsoa Roger Marie (RRM) : Azo lazaina ho manjavozavo hatreto raha ny zava-misy iainana izao. Raha tena te hivoaka amin’ny krizy amin’ny alalan’ny fifidianana isika dia mila manara-penitra sy eken’ny rehetra ary ahafahan’ny maro mamoaka ny heviny tokoa izany fifidianana izany. Iaraha-mahala anefa fa tsy mitovy ny vaovao azon’ny mponina an-tanàn-dehibe sy ny mponina any ambanivohitra. Izay elanelanana izay dia efa hanahirana amin’ny mety ho voka-pifidianana. Manaraka izay dia mbola karohina koa ny fomba hampikoriana ny voka-pifidianana ara-dalàna miainga any amin’ny fototra mankaty amin’ny foibe. Marina fa tsy misy ny lafatra saingy mba ho afa-po ny mpandray anjara rehefa manara-penitra ireo fepetra nambarako teo ireo.
TT : Inona ary izany no tokony hatao mialoha ny fifidianana ?
RRM : Miverina amin’ny teniko teo ihany aho. Na inona na inona fandaminana ka tsy ifaneken’ny daholobe dia tsy hahomby mihitsy. Na ny lalam-pifidianana izany na ny fanatanterahana ny fifidianana miaraka amin’ny famoahana ny vokatra dia tokony ho samy afa-po ny rehetra. Raha tsy tafapetraka 100% izay dia tsy maintsy hitsipaka ny voka-pifidianana foana ny resy na koa tsy mahatanty resy.
TT : Tena hahavaha ny olan’ny Malagasy tokoa ve raha ny hevitrao ny fihaonana eo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana na dia mahita fifanarahana aza ry zareo ?
RRM : Amin’ny maha siantifika ny tenako dia mampiasa ny asamarika aho amin’ity resaka ity. Misy ny atao hoe “paramètre espace” sy ny “paramètre temps”, izany hoe ny toerana sy ny fotoana. Mbola izy mianaka ihany no nifanandrina tamin’ny fiandohan’ny krizy. Nandeha ny volana, nivadika ny taona ka lasa nihombo ny aretina ka tsy raharahan’izy roa tonta irery intsony ilay izy fa niparitaka. Na izany aza dia ampahany betsaka amin’ny krizy no voavaha raha misy ny marimaritra iraisana hitan’izy ireo. Raha ampahany betsaka amin’ny krizy anefa no voavaha dia mampisy fanantenana hivahan’ireo olona vitsivitsy sisa izany.
TT : Ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sy ny Komity mpanaramaso ny tondrozotra no hanao ny fampihavanana. Nakana hevitra na nantsoina ve ianareo tamin’ny fametrahana ireo satria ny RARIVATO tarihinao dia nametraka hatrany ny tsy fanilihana ?
RRM : Tsy nakana hevitra izahay kanefa moa mety somokotra be loatra angamba ny mpikarakara ka tsy niantso anay. Heveriko anefa fa raha mahita izao fanehoan-kevitra izao ry zareo dia mety hisy ny fifanatonana satria ny hoavin’ny taranaka iombonana no fanamby tiana hapetraka. Marihiko fa ny RARIVATO dia fanafohezan-teny ny teny Frantsay hoe : “RAssemblement sans RIVAlité du Tout” izany hoe tsy manilika na manavaka na iza na iza fa mampivondrona sy mampandefitra ny fahasamihafana noho ny fomba fijery ara-politika na ara-pirazanana sy ny hafa koa. Hevitry ny RARIVATO koa ny hoe: “Ny kely dia hidin’ny vaventy ary ny vaventy tohan’ny madinika”. Kolontsaina malagasy avy amin’ny faritra maro no nindramina sy nampiarahana amin’ny filozifian’ny RARIVATO hanetsehana ny hambompon’ny Malagasy hihavana amin’izao vanimpotoana misy antsika izao. Tsara fakan-tahaka ny kolontsaina any atsimo atao hoe “vaky ra”. Tena miorina mafy ny Fihavanana amin’ireo mpivaky ra mihoatra noho ny mpiray tampo aza.
TT : Raha miditra mpikambana amin’ireo rafitra ireo ny RARIVATO. Inona no zavatra hoentiny hametrahana ny fampihavanana ?
RRM : Eo ilay kolontsaina ananana sy ny traikefa ihany koa tamin’ny fandaminana krizy teo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Heveriko fa fitondran’Andriamanitra raha ny tenako izay zanaka malagasy no nisolotena ireo Firenena mpikambana ACP (Afrique – Caraïbes- Pacifique) nanome tsodrano ny filoha Borondey mba hanekena ny fahalaniany raha nandalo krizy ity firenena afrikana ity. Izaho mantsy no filohan’ny Filankevitry ny minisitry ny firenena ACP tamin’izany. Ny traikefa tamin’izany dia heveriko fa azo entina hiara-midinika amin’ny fampihavanam-pirenena. Ireo mpikambana RARIVATO hafa koa dia afaka mitondra anjara biriky hanasoa ny hoavin’ny firenena.
TT : Tsy mety manao ny fanelanelanana sy tsy mety miditra amin’ireo rafitra 2 voalaza teo ny FFKM. Tsy ohatra mamela ny krizy hilona ve izany tsy fandraisana anjarany izany ?
RRM : Marina tokoa izany fa mamela ny Malagasy hilona anaty krizy ry zareo saingy mipetraka ny fanontaniana hoe nahoana izy ireo tamin’ity krizy ity no misalasala tsy miditra ? Ny antony dia mahatsapa ry zareo fa nihen-danja ilay rafitra misy ireo raiamandreny izay nanankinan’ny Malagasy ny fitokisany. Raha misy fiovana endrika ny mpitarika azy ireo dia heveriko fa hiverina ilay faharisihany satria mety manahy sao dia hihorakorahan’ny olona ry zareo amin’izao. Amiko dia hiverina indray ny lanjan’ny FFKM raha misy fiovan’ny mpitarika azy. Miverina to teny amin’ny Malagasy ity rafitra ity amin’izay.
TT : Mpampianatra ianao. Korontan-dava ny fampianarana ambony ary tatran’izay koa ny ambaratonga voalohany sy fararoa. Inona no vahaolana arosonao ?
RRM : Resa-bola avokoa io. Tsy omena tsiny ireo sendika mitaky fisondrotan-karama satria efa neken’ny fanjakana izany ho an’ny SECES. Mangataka ny fampiharana ny sonia ry zareo kanefa koa ny fanjakana etsy andaniny milaza fa ny tany mena tsy hirehitra. Iaharaha-mahalala fa ministera sosialy ireo misy olana ireo izany hoe velomina fa tsy mampidi-bola. Ny fampiakarana ny sandam-bola malagasy no vahaolana arosoko. Mindrana ny fitenin’ny Luther King aho hoe “I have a dream”. Mety ho nofinofy nefa manova zavatra be dia be raha tafidina 1000 Ariary ny sandan’ny vola dolara izay 2.000 Ariary amin’izao. Raha tanteraka izay dia mahazo mofo dipaina 2000 isa ohatra ny karama mahazo mofo dipaina 1000 isa amin’izao. Tsy ilaina akory ny fanondrotan-karama amin’izay ohatra izay ary foana koa ny fitakiana sosialy samihafa. Mbola afaka mamorona asa aza ny mpiasa satria mitombo ny fahefa-mividiny.
TT : Voafidy ho mpikaroka mendrika erantany ianao tamin’ny 2011. Inona no zava-miavaka tamin’ny zava-bitanao ka nisafidianana anao tamin’ny mpikaroka 1000 manerantany ?
RRM : Ampanetre-tena no ilazako fa maro ny mpikaroka erantany no tena manampahaizana. Ny ankamaroan’ireo mpikaroka erantany dia nanoka-tena ho amin’izay fa ny tenako kosa ankoatra ny maha mpikaroka dia nanana andraikitra goavana ara-politika satria efa filohan’ny Filankevitry ny minisitry ny ACP taloha ary mbola manana fahaizamanao amin’ny lafiny ara-kolontsaina koa. Nahita izy reo fa lasa lavitra noho ny tontolo siantifika izaho noho ireo andraikitra ara-politika sy ny kolontsaina koa.
TT : Inona no vokatra azo na andrasana taorian’ny fahazoana iny fankasitrahana iraisam-pirenena iny ?
RRM : Tsy hitako izay teny mahadika azy amin’ny fiteny Malagasy fa raha fintinana dia ilay atao hoe “notoriété” sy “estime”. Ireo no tena zava-dehibe satria izay alehanao dia misokatra avokoa ny varavarana na amin’ireo sampandrahraha faran’izay goavana aza.
TT : Aiza ho aiza ny fampiharana ireo voka-pikarohana ataon’ny CNRIT tantaninao ? Anisa’ny anenjehan’ny fanjakana sy ny vahoaka ny SECES mantsy ny tsy fahitana loatra ny voka-pikarohany ?
RRM : Tsy takatry ny olona loatra, eny hatramin’ny mpitondra fanjakana aza ny atao hoe fikarohana sy ny fifandraisany amin’ireo ambaratonga misy eto amin’ny firenena. Raha fampivoarana ara-toekarena no anefa no resahana dia alaivo sary antsaina ny “hélice” manana elatra telo mampandeha sambo iray. Ireo fitaovana ireo no aina manosika ny motera. Ny fikarohana na siansa no singa iray voalohany, ny fanjakana ny faharoa ary ny orinasa no singa fahatelo. Ny fiarahan’izy ireo mihodina no mampandroso ny toekarena. Izay no ialina ny firaisan-tsaina.
Momba ny CNRIT manokana dia betsaka ny voka-pikarohana vitany. Ampahany ny akora dia fanadiovana rano maloto, ny angovo avy amin’ny alikaola sy ny jatropha, ny fatana mitsitsy. Marihina fa ny CNRIT dia miara-miasa amin’ny tantsaha sy ny mpandraharaha manontany azy ireo ny filany ka ahafahana manao fikarohana mifanaraka amin’izany. Ny governemanta indray dia tsy manana politika momba ny fikarohana. Marihina anefa fa matoa ireo firenena Aziatika toa an’i Chine sy ireo antsoina hoe “dragons” mandroso dia noho ny fametrahany amin’ny toerany ny siansa, ny tekhnôlôjia ary ny “Innovation”. Nanova lalàmpanorenana ahafahana manome lanja ireo voalaza ireo mihitsy ny Sinoa tamin’ny 1994. Raha misy ny “Innovation” amin’ny fomba famokarantsika sy amin’ny sehatry ny tsena dia afa-mifaninana amin’ny hafa ny orinasantsika ary mitondra fampandrosoana ara-toekarena.
TT : Raha misy mpandraharaha te hampiasa ny voka-pikarohan’ny CNRIT. Inona no fepetra ?
RRM : Tsy misy fepetra fa ny fomba fiasa dia ny hoe : sady manome no maka. Afaka manontany ireo orinasa momba ny olany hanaovanay ny fikarohana izahay. Azon’ny orinasa atonina koa izahay amin’izay fiaraha-miasa tadiaviny.
TT : Ny teninao farany ary ?
RRM : Maniry ny hivoahana amin’izao krizy izao aho. Ny tena mampitempo ny foko dia ny hoavin’ny ankizy Malagasy satria raha manao fahadisoana isika ankehitriny dia zakain’ny taranaka any aoriana ny vokany. Manana adidy sy andraikitra izay tompon’ny fandidiana handray fanapahan-kevitra maika sy mahomby nefa tsy handrendrika ny fiainan’ny taranaka any aoriana.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.