Karazana mpisolovava ireo mpampianatra ihany ny Ministeran’ny fanabeazana amin’ny fitakian’ireo mpampianatra araka ny nambaran’ny minisitra.
Ny lafiny teknika no sahanin’ny departemantan’ny fanabeazam-pirenena, hoy ny Pr Manoro Régis, minisitry ny fanabeazam-pirenena, fa ny resa-bola sy ny tambinkarama kosa dia miankina amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola. Soso-kevitra efatra samy hafa izay miainga tamin’ny fitakian’ny SEMPAMA no natolotry ny minisitra Manoro Régis tamin’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny tetibola nandritra ny fihaonan’izy ireo ny alatsinainy 23 aprily, hariva, teo. Mitotaly 210 miliara Ariary isan-taona ny fiantraikany amin’ny kitapom-bolam-panjakana araka ny voalaza ao amin’ilay soso-kevitra, 182 miliara Ariary ny faharoa, 145 miliara Ariary ny fahatelo ary 131 miliara Ariary ny farany ambany. Samy nolavin’ny minisitry fitantanam-bola sy ny tetibola Rajaonarimampianina Hery avokoa anefa ireo satria mavesatra loatra amin’ny tetibolam-panjakana. Hisy, araka izany, ny famolavolana soso-kevitra vaovao izay hatolotra tsy ho ela.
Araka ny fanazavan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena dia iaraha-mandinika amin’ny solontenan’ny SEMPANA izay soso-kevitra vaovao eo ka hisolotena ny governemanta miaraka aminy ny minisitry ny tetibola. Nohararaotin’ny Pr Manoro Régis ny fotoana hilazana fa rehefa fitakiana na tombontsoa zakan’ny tetibolan’ny ministera dia raisina an-tanana avy hatrany toy ny fandoavana ny tambinkarama amin’ny vola famatsiana ireo mpampianatra karamain’ny FRAM. “Araka izany dia tsy marina ny filazana fa tsy te hahalala na tsy mivaky loha na koa miziriziry ny tenako”, hoy izy. Tsy nolaviny kosa anefa ny fisian’ny mpiara-miasa aminy izay miezaka mamingana azy ary niantsoany fiaraha-miasa amin’ny mpitsikilon’ny fiadidian’ny FAT hanampy azy amin’ny fikarohana ilay olona.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.