Politique

Pr Manoro Régis Hanara-dia an’ny Dr Joseph koa ?


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Raha ny tenin'ny filohan'ny tetezamita omaly no dinihana dia manana telo andro eo sisa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Pr Manoro Régis mba hamahana ny olan'ny mpampianatra sy hampitsaharana ny fitokonan'ny SEMPAMA manerana ny Nosy.

 Nilaza mantsy, omaly i Andry Rajoelina fa tsy maintsy hisy ny fanapahan-kevitra hentitra horaisiny, raha toa ka tsy mbola voavaha amin'ity herinandro ity ihany ny olan'ny mpampianatra. Taorian'ny fanesorana ny minisitry ny tontolo iainana mantsy dia efa nandeha be ny feo, fa hoe ny minisitry ny fanabeazana indray no manaraka, noho izy tsy mahavaha ny olan'ny fampianarana mihitsy. Sarotra ihany anefa ny inoana fa hisy vahaolana hatramin'ny sabotsy ho avy izao ity fitokonan'ny mpampianatra ity, satria resa-bola ilay izy, ary efa nilaza ny minisitry ny vola Hery Rajaonarimampianina fa tsy mbola manana vola hanomezana fahafaham-po ny mpampianatra aloha ny fanjakana amin'izao fotoana. Io ilay efa nambara teto hoe tena resaky ny moana sy marenina ny an'ny fitondrana tetezamita sy ny mpampianatra mpanabe mivondrona ao amin'ny SEMPAMA.

Raha hitarina kely ny famakafakana dia mety andro vitsy koa izany sisa no maha minisitra an'ingahy Manoro Régis, fa dia mety hivoaka indray amin'ny fiandohan'io herinandro io ny didim-panjakana manala azy amin'ny toerany ary dia hanara-dia ny Dr Randriamiandrisoa Joseph, minisitry ny tontolo iainana sy ny ala koa. Tena hampikorontana tanteraka ny fampianarana eto Madagasikara anefa izany, satria azo antoka fa tsy maintsy hisy indray ny mpanao politika hisoavaly ity resaka ity. Na izany aza anefa dia mbola maro ihany ny manantena fahagagana, fa mety mba hisy marimaritra iraisana ihany amin'ny famahana ity olan'ny mpampianatra ity mba tsy hampijaly ny mpianatra, izay tsy maintsy hiatrika ny fanadinam-panjakana afaka roa volana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT