May volon-tratranyFrantsay, hoy profesora James Ratsima, filohan’ny fikambanana Asandratro ny fireneko satria tsy ho tanteraka eto amintsika mihitsy ny Frankofonia.
Tsy mankasitraka ny ankamaroan’ny Malagasy na dia misisika mafy aza ny minisitry ny raharaham-bahiny izay notsindriany fa mpanompom-bazaha. Antony nandefasana an’i Ban Ki Moon, sekretera jeneralin’ny firenena mikambana teto amintsika io ankoatra ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena Frantsay izay samy manesika antsika hiroso amin’ny fandraisana ny frankofonia sy ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2018 avokoa. Ho an’i Ban Ki Moon manokana dia notsindriany fa nasesiky ny Frantsay ity farany hahafahana manatanteraka fifidianana eto amintsika ary tena mpihatsaravelatsihy. Tsy ilaintsika Malagasy ny torohevitra avy aminy sy ny fidirany amin’ny fiainantsika fa mahalala ny tokony hataontsika isika. Ho an’ireo mpitsara iraisam-pirenena dia notsindriany fa mbola mpanompom-bazaha ihany koa izy ireny. Nytenavononahiarony Malagasy dia ry zareoTatsinanana fa ny ankoatra izay dia mbola andevozin’ny “géopolitique” napetraky ny tandrefana avokoa.Ny Frantsay dia mbola manana ny olony eto amintsika tompoiny nefa manandevo ny vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana aminy. Nasiany resaka ihany koa ny SADC izay milaza ho tompon’ny fahefanan efa mitady hametraka ny olony amin’ny fifidianana izay notsindrian’i Afrika Atsimo fa vonona hanampy antsika amin’ny fikarakarana fifidianana izy ireo amin’ny taona 2018.Mampitandrina ny vahoaka Malagasy i James Ratsima,araka izany,mba tsy hanaiky fahatany ny fifidianana fa mbola ny Frantsay hatrany no ao ambadik’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.