Nambaran’ny profesora James Ratsima fa efa eo amin’ny fitondrana avokoa ny olona ary hita taratra amin’ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa izany.
Nanao be ambosika sady nihinana izay tratra nefa samy milaza fa tsy mora ny manao zavatra ary milaza avokoa fa mandeha ny raharaham-pirenena. Ho an’ny mpitondra, miantso fiaraha-miasa nefa ny toerana tsy omena izay midika fialana fotsiny sirika ihany. Rehefa mivoaka ao amin’ilay fitondrana anefa izy ireny dia samy mahay miresaka avokoa ary tahaka ireny tsy nanao na inona na inona ireny. Ankoatra izay dia tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoa manokana ary manilika ny tsy mety amin’ny mpanjatany sy ny saribakoliny. Notsindriany manokana ny orinasa Air Madagascar ka nampatsiahiviny fa tamin’ny andron-dRajoelina no namarotana io orinasa io saingy mahagaga fa milaza indray ny MAPAR fa manohana ny grevin’ny Air Mad ankehitriny. Tsy mahita mpanao politika eto amintsika intsony izahay, hoy James Ratsima, fa olona mpikarama an’ady, mpitady ny ho azy manokana izay samy tsy mijery ny firenena sy ny tombontsoam-bahoaka no eto. Tsy mahagaga raha nilaza ny filoham-pirenena fa tsy mahantra ny vahoaka Malagasy satria ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy no tazany. Ireto farany izay afaka manao ny afera rehetra ary mitondra fiara tsara tarehy daholo rehefa mamangy azy dia voafaoka avokoa fa manankarena ny Malagasy rehetra. Ilay rafitra ihany koa natao hampanginana ny rehetra. Mody ampidirina ny mpanohitra nefa fiaraha-miasa entina hanafainganana ny fahantram-bahoaka hahafahana mangalatra sy misoloky no miseho. Tsy hisy olo-marina sy ny mpangalatra afaka hiaraka, hoy izy fa ny mpandroba sy ny mpanao sinto-mahery no afaka hiaraka. Mbola hihaona amin’ny mpanao gazety moa anio ny Pr James Ratsima sy ireo mpiara-dia aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.