Naneho ny heviny mikasika ny fisavorovoron’ny raharaham-pirenena eto amintsika ny profesora James Ratsima omaly.
Nambarany fa avo lenta tokoa ny fanakorontanana misy eto Madagasikara izay tsy iza fa ny vahiny mpanjanatany ihany no ao ambadika. Nosinganiny manokana ny masoivohon’i Torkia miasa sy monina eto amintsika izay nilaza fa mpampiofana mpampihoroho ireo sekoly tantanan’ireo mpiray firenena aminy eto amintsika. Fa naninona no izao 2016 izao vao miteny an’izany ity ambasadaoro ity kanefa efa ho 10 taona mahery no teto ireo sekoly ireo ? Mba hanakorontanana ny vahoaka Malagasy no antony, hoy hatrany izy. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ireo vovonana politika nanao fanambaana tamin’ity herinandro ity. Efa teo amin’ny fitondrana avokoa ireny rehetra ireny, hoy izy ary seza no mahamaika azy fa tsy ny tombontsoa ho an’ny vahoaka velively. Torak’izany koa ny fampihavanam-pirenena izay misy mitaky hatrany ny hanaovana azy. Ny fampihavanam-pirenena anefa ho an’ity profesora ity dia natao hampitovian-jo ny Malagasy rehetra amin’ny fampianarana, ohatra, ankoatra ireo karazana tombontsoa tokony ho azony fa tsy fanadiovana ireo bolokim-bazaha sy mpanao ampihimamba ny harem-pirenena nanao ny tsy mety teto. Mikasika ny mety hisian’ny fanovana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta na tsia moa dia nanambara ny profesora James Ratsima fa efa voafatotr’ireo mpanjanaka amin’ny vatany iray manontolo ny filoha Rajaonarimampianina ka tsy afaka mihetsika fa tsy maintsy manaraka ny baikon’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.