Politique

Pr Harimalala Joseph Mpitondra mila voatsiary


  • Alakamisy 07 Aprily 2016

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena taorian’ny nijoroan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana niaro ny taniny eny Andohatapenaka, rehefa nalain’ny Fanjakana fa hoe hanorenana toby fiantsonan’ny fiarakodia hamindrana ny eny amin’ny Fasan’ny Karana.

 


Mampametra-panontaniana ny toe-tsain’ny mpitondra ankehitriny ireto, hoy ny Pr Harimalala Joseph. Moa ve tsy misy vahaolana afa-tsy ny fanaovana an-keriny ny fananan’olona tahaka izao sisa ilay atao hoe Fanjakana tsara tantana ? Tadidio fa mahatezitra an’Andriamanitra tanteraka io fanaovana tsinontsinona ny olom-boafidiny io, araka ny tenin’Andriamanitra (Eksodosy, 22 : 21-23). Tsy tokony hohararaotinareo ny fahanginan’ny filoha Marc Ravalomanana noho izao antsojay sy fanaovana ankeriny ny taniny sy ny fananany izao, hoy hatrany ny Pr Harimalala Joseph. Fa ny tena mahavariana dia milaza ny mpitondra fa eo Andohatapenaka no hanorina trano handraisana izany Frankofonia izany, izay tanin’i Marc Ravalomanana rahateo, dia mbola eo akaiky eo ihany koa no hafindra ny fiantsonan’ny taksiborosy. Izany ve tsy filam-boatsiary ? Raha mbola hiziriziry hanao be marenina ihany ny mpitondra haka an-keriny ny tanin’olona sy fananan’olona io, ary mihevitra an’i Dada Ravalomanana sy ny Vahoaka ho kamboty sy ho tsy misy mpiahy ianareo, dia izao no tsarovy fa ilay Andriamanitra tsitoha, ilay Rain’ny mandrakizay no Ray mpiahy an’i Dada Ravalomanana sy ny Vahoaka manontolo, hoy izy.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT