Politique

Pr Ange Andrianarisoa “Ilaina ny fanelanelanana”


  • Alarobia 14 Septambra 2011


 Ilaina ny hisiana mpanelanelana na avy eto an-toerana na avy any ivelany, araka ny fanazavan’i Ange Andrianarisoa, lehiben’ny delegasion’ny Ankolafy Ratsiraka, saingy mpanelanelana tsy mitanila no takiana. Nosinganin’ity mpitarika ny delegasion’ny Ankolafy Ratsiraka ity, ohatra, ny momba ny Raimandreny Mijoro izay tsy iza fa avy amin’ny Ankolafy Rajoelina ihany. Nomarihiny koa fa tsy mpanelanelana avy eto an-toerana ihany no ilaina fa eo koa ny avy any ivelany satria tsy afaka misaraka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika. Porofon’izany, hoy ny profesora Ange Andrianarisoa ny fiatoan’ny fanamboarana fotodrafitrasa izay mampijaly ny vahoaka. Momba ny resaka fifidianana indray dia ambarany fa ilaina tokoa izany saingy tsy ny fifidianana no tanjona fa ny fihavanana sy ny fifankatiavana, fifampizarana eo amin’ny samy Malagasy.

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT