Politique

Pr Alain Tehindrazanarivelo Tsy zakantsika Malagasy ny hiaina amin’ny fananantsika fotsiny


  • Alakamisy 19 Jolay 2012

Vahaolana miteraka olana vaovao hafa indray ny fanapahana ny karaman’ny mpiasam-panjakana mitokona, hoy ny Pr Alain Tehindrazanarivelo.

 Ny fomba tsotra dia tsotra hialana amin’io dia ny fanatanterahana fifidianana eken’ny rehetra, madio ary mangarahara. Tsy fifidianana natao hametrahana an’ireo rafitra maro samihafa ilaina sy hahafahana mivoaka amin’ny krizy fotsiny anefa fa fifidianana natao indrindra hiverenana amin’ny ara-dalàna. Fitondrana mirindra no kinendry amin’izany. Sarotra amiko ny hino, hoy ny Pr Alain Tehindrazanarivelo, fa tsy misy hifandraisany amin’ny fanafainganana ny fifidianana ny fihaonana eo amin-dRavalomanana sy Rajoelina izay hotanterahana atsy ho atsy.

Ny vondrona iraisam-pirenena izay tompo-marika amin’izany no manome toromarika na amin’ny famoahana ny datim-pifidianana na amin’ny hanaovana io fihaonana io. Mikasika ny fitokonana izay miseho lany isan’andro ary miha lalim-paka kosa dia nilaza mazava ity mpanao politika ity fa tsy voavahan’ny lamina napetraky ny tetezamita intsony ny olana ara-tsosialy misy eto amintsika. Tsy tokony hihambo ho mahavita tena izany isika, hoy izy satria hatramin’izay dia niankina hatrany tamin’ny fanampiana avy any ivelany. Tsy mbola zakantsika eto Madagasikara ihany koa ny hiaina fotsiny amin’ny fananana eto amintsika. Izay hiverenan’ny fanampiana tapaka ireny aloha, hoy ihany ny famaranan’ny Pr Tehindrazanarivelo ny teniny, no tokony himasoana vao mijery lamina alavidavitra kokoa.

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT