Zava-dehibe ny fiarahamonina sy ny fampihavanam-pirenena. Efa nahatsapa izany isika fa ny dingana dia hitantsika fa mandeha moramora.
Rehefa nanao ny lahateniny ny Papa Fransoa tamin`ny fandalovany teto Madagasikara dia tsy tokony hohadinoina fa mitondra hevitra roa dia amin`ny maha filoham-pirenena azy any Vatican sy amin`ny maha filohan`ny eglizy katolika azy dia ara-moraly no nitondrany azy. Ny eto Madagasikara dia manan-danja ny tanjaky ny fiangonana katolika satria voalohany eo amin`ny isan`ny mpino. Faharoa, ny isan`ireo tompon’andraikitra eo anivon`ny fiangonana katolika. Eraky ny nosy dia misy tompon’andraikitry ny eglizy katolika relijiozy lahy na vavy izay misehatra eo amin`ny lafiny sosialy sy toekarena. Mipaka mivantana any amin`ny vahoaka ireny. Ny eglizy katolika ihany koa dia ao anatin`ny FFKM. Afaka mamolavola tsara ny vahoaka ny eglizy raha amin`izao tanjany izao. Marina fa ny and. faha-2 dia manipika mazava tsara ny tsy fifangaroana ny mpitondra sy ny fiangonana kanefa ny fitaizana ara-moraly sy ny fanomezana ny soatoavina amin`ny fivavahana sy ny finoana dia tsy afaka misaraka amin`ny Malagasy. Ny zavatra nisy nandritra ny fotoana ela dia nihena ny soatoavina, ny fifanajana sy ny fifankatiavana eo amin`ny fiarahamonina ary ny fihavanana. Anisan`ny manampy ny fitondrana amin`ny fameranana ny laoniny amin`ny firenena Malagasy ny ezaka toy ireny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.