Ao anaty fotoan-tsarotra i Madagasikara amin’izao noho ny antony maro. Anisan’ny lesoka ny tsy fahafehezan’ny mpitondra ny firenena. Ny vahoaka etsy an-daniny toa manaiky, ka zary tandra vadinkoditra ny miaina anaty fahantrana sy mitazam-potsiny ny hadalan’ny mpitondra.
Nisy ny fanadihadiana sy fakan-kevitra natao tamin’ny mpandinika fiarahamonina Lanto Ratsida, mba hahazoam-baliny hoe inona tokoa no mety ho antony ?
Tia tanindrazana (TT) : Tena tsy voafehin’ny mpitondra intsony ny firenena ary mikorosy fahana hatrany. Inona tena olana raha ny fahitanao azy ?
Lanto Ratsida (LR): Taorian’ny krizy 2009 dia tsy dia mahagaga ihany satria tsy moramora ny manarina rehefa aorian’ny krizy. Kanefa izy ireo ny fijeriko azy, dia tsy manana sori-dalana mazava hiatrika ilay zava-nisy taorian’ny krizy, dia lojika izy ireo raha misafotofo, kanefa zavatra be dia be no sarotra alamina taorian’ireny. Ny toekarena efa latsaka, ary ny toe-tsain’ny olona ihany koa efa misy olana satria rehefa mandalo krizy dia misy ny dona lehibe. Io no maha sahirana azy ireo eo satria ialohavan’ny vanim-pitoana, raha ny fijeriko azy.
TT : Inona no mety ho antony mahatonga ny vahoaka mahari-pery sy manaiky lembenana na dia efa ampanantenaina poakaty aza, toy ny hoe efa 650Ar ny kapoakan’ny vary, saingy tsy hita izay vahaolana ?
LR: Ny vahoaka efa reraka satria rehefa avy voadonan-javatra (krizy) dia lasa marefo be. Iny vita ihany ny niatrika an’iny. Miandry izy saingy tsy mahita hoe hery faran’izay matanjaka azo hitokisana satria io vahoaka io tsy dia mihetsiketsi-poana. Misy dikany io matoa mihetsika, ka tsy mahita an’izay izy sady difotra tanteraka ao anaty fahantrana.
Mety hiaritra sy hilavo lefona tanteraka ve izany ny vahoaka, ka hanaiky foana izao zavatra iainany izao ?
LR : Mieritreritra aho hoe amin’io 2018 io mety hanahirana ihany, raha mbola mitohy ny fahasahiranana lavabe mitranga amin’ny vahoaka. Izao aloha tena difotra izy ary tsy mbola mahita izay azo itokiasana ao anatin’ity raharaha ity satria izay olona rehetra mety hoe nitsangana dia toa nalefaka tampoka. Ny vahoaka rehefa misy zavatra tsy tiany dia mijoro izy, raha ny hevitro. Nisy ihany teo nijoro, toy ny hoe rehefa tapaka ny jiro dia nitroatra. Mila mitandrina anefa ao anatin’izay satria rehefa misy ny tahaka izany dia tafiditry ny politika hatrany ary misy olona hafa tsy fantatra mitsofoka.
Inona ny torohevitra avy aminao ho an’ny vahoaka manoloana izany ?
LR: Raha izao no miresaka amin’ny vahoaka, dia aleo mijery zavatra lavitra foana, ary homanina tsara satria ny zavatra maimaika dia mora hidiran’ny mpandoto rano. Ny tena mahatonga ny vahoaka hitroatra, dia ilay izy mandry tsy lavo loha na mandry andriran’antsy. Tamin’iny tsaho momba ny vaksinin’ny pesta iny izao, dia lojika be ny fitaintainana satria zanaka menaky ny ainy. Na izany aza ve dia hiandry ny fotoana tahaka izany vao hihetsika ?
Inona no torohevitra avy aminao manoloana ny tsy fahafeheza’ny mpitondra ny firenena, ka mampikorosy fahana hatrany an’i Madagasikara ?
LR: Ho an’ny mpitondra dia mila mamerina fandaminana amin’ny ankapobeny mihitsy izy aloha amin’ny vina ara-toekarena sy ara-piarahamonina mba tsy hisy. Lalina be ny hantsana manasaraka ny mahantra sy ny manankarena. Ny zavatra hita anefa dia misy tetikasa madinika mahakasika olona vitsivitsy, kanefa na faritany iray aza no hanaovana tetikasa tsy izy fa ny tokony ho tetikasa mahafaoka ny firenena ary tena maty paika. Mila mahita vahaolana mahomby mba hampihenana haingana ny elanelana be eo amin’ny mahantra sy ny mpanankarena. Mba miray feo sy mba mila manome vahana ny mpandraharaha Malagasy ny mpitondra, fa tena ho fanina tanteraka ireo.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.