Politique

Potika ny fiarahamonina Mirongatra ny herisetra sy ny vono olona


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Mirongatra ny herisetra ary mahavita mandatsaka aina mihitsy ireo olon-dratsy. Tena lasa biby toetra sy lian-dra fa tsy vitan’ny mangalatra sy mandroba fotsiny. Nisy ny fakan-kevitra natao tamin’ny mpitandro ny filaminana, mpiantsehatra mivantana sy mandray an-tanana ny fanadihadiana hoe : inona tokoa no mety mahatonga izany ?

 

 Amin’ny ankapobeny dia ny fitezana any amin’ny fiarahamonina mihitsy no efa hafa satria lasa miharatsy mihitsy, raha ny fanehoan-kevitry ny Kaomandra Herilala Andrianatisaona, Tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tsy hay intsony na ny fitadiavana na ny fahasarotan’ny fiainana no mahatonga izany. Tsy mipetraka tsara intsony ilay fanabeazana, ka tsy any am-tsekoly ihany no tokony hiresahana izany fa hatrany amin’ny fiarahamonina sy ny tokantrano, hoy izy. Avy any mihitsy satria  ilay olona mahatasapa ihany avy eo hoe tena diso aho. Eo ihany koa ny fitiavam-bola satria vitsivitsy ihany ny resaka valifaty noho ny resaka lolom-po. Noho io fitiavam-bola io, dia mahavita mamono olona mihitsy. Tsikaritra ho isaky ny vohitra no misy fiangonana, ka raha tena miaina amin’izay ny olona na inona finoany, ary arahina marina ireny, dia tsy tokony hirongatra ny vono olona sy ny tsy fandriampahalemana. Vao mainka anefa maro ny olona sahy manao ratsy sy mahavita mandatsaka aina. Taloha, dia am-polony na latsak’izany ny dahalo, saingy efa manao andiany an-jatony izany amin’izao fotoana izano, izay azo hilazana avy hatrany fa ny faharatsiana eny amin’ny fiarahamonina mihitsy no mitombo. Tsy hoe ny zandary no tsy miasa na ny polisy, araka ny hevitr’io tompon’andraikitra io satria tena efa miady aman’aina mihitsy izy ireo, indrindra fa ny eny ambanivoihitra raha ny fanazavany. Raha ny any amin’ny borigady na ny “poste avancé”, dia tena misaotra an’Andriamanitra fatratra raha manana herinandro hatoriana ao anatin’ny iray volana. Tena miasa miasa izy na misy ihany aza ireo mety mivaona amin’ny asany, fa tena ny olona mihitsy no miharatsy, ka tokony hohamafisina ny fitezana. Mila atomboka any amin’ny ray aman-dreny izany, hoy hatrany ny Kaomanda Herilala Andrianatisaona.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT