Nafenina mafy ny fahaverezan’ireo menaka “mavesatra” tao an-dranomasina ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina (SPAT), ny alahady 08 jolay 2012 teo.
Nitondra olana goavana tamin’ireo sambo niditra sy nivoaka ny seranana anefa ny fisiany, noho ireo menaka very ireo tena mainty sy madity ary mety hahavoasazy ny SPAT eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Antony maromaro no nanafenana azy ity mafy toy izao, araka ny vaovao nangonina. Ny voalohany, teo aloha ny mety hahazoantsika sazy amin’ireo tompon-tsambo satria mandoto ny sambony. Tsy maintsy esorina koa ny loto ateraky ny menaka tena mainty be mba tsy hahavoasazy ireo sambo miala ao Toamasina ka hiantsona amin’ny seranana any amin’ny firenen-kafa. Ny antony faharoa, dia ny fahitana fa gaboraraka ny fiambenana ny seranantsambon’i Toamasina, ka tsy mahagaga raha betsaka ireo kaontenera poakaty misy maka ny entana ao anatiny.
Ny nahatonga ity menaka mainty be ity nivarina an-dranomasina mantsy dia vokatry ny halatra vy ka nanapahan’olon-tsy fantatra (?) ny fantsona be mpitondra menaka tsy voadion’ny orinasa Tiko SA (TOP II) ao an-tokotanin’ny seranantsambo ihany. Raha ilay fantsona aloha dia sady goavana no mafy ary tena mandany fotoana ny fanapahana azy noho izy mila fitaovana tena avo lenta. Nanam-potoana, araka izany, ireo olona nanapaka azy. Ny nahagaga dia tsy nisy mpahita ny nanapahana azy sy mbola nitondrana azy nivoaka ny seranantsambo tsy nisy nanakana. Ny antony fahatelo, dia ny tsy fahasahian’ny SPAT mitory ny fanjakana, indrindra ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny fitantanam-bola ary ny ao Ambohitsirohitra, izay mbola mangeja ny orinasa Tiko tsy hiverina amin’ny fianakaviana Marc Ravalomanana.
Tsy hita intsony mantsy izay hohenjehina amin’ity raharaha ity sy tokony handoa ny volaben’ireo tompon-tsambo voaloto sy ny volan’ny OLEP nanadio ny ranomasina. Ankoatra ny fanapotehana sy ny fangalarana ary fitetehana hamarotra ambongadiny ny fananan’ny fianakaviana Ravalomanana izany, dia izao indray tadiavina handoa ny tsy nataony amin’ny fandotoana ny ranomasina koa ity fianakaviana ity, amin’ny gaboraraka eo anivon’ny seranantsambo. Raha ny vaovao nangonina dia nanodidina ny 40.000 – 60.000 dolara na 80 tapitrisa Ariary ka hatramin’ny 120 tapitrisa Ariary ny “surestaries”-n’ny sambo naloan’ny tompon-tsambo noho ity menaka raraka an-dranomasina tao Toamasina ity, ka nahatara ny fidirana sy fiaingan’ny sambo nihazo ny seranantsambo hafa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.