Politique

« Pompier » ho an’i Sambava Mampanantena poak’aty ny Filoha


  • Zoma 20 Mey 2016

Nirehitra ny andrinjiron’ny Jirama tao Sambava ny harivan’ny alarobia teo. Tompona trano fisakafoanana iray vita amin'ny ravinala mifanila amin’ilay andrinjiro may, no nampandre ary dia nalaky tonga ny ekipan’ny Jirama fa sarotra ny nifehy ny afo.

Tonga ihany koa ny Ben'ny tanàna lefitra ary izy no niantso ny mpamonjy voinan’ny Adema. Afaka 20 minitra vao tonga ity farany satria mbola be pitsopitsony ny fahazoana azy noho izy an’ny tsy miankina. Voatery nanapaka ny jiro rehetra tao an-tampon-tananan’i Sambava ny Jirama noho ity toe-javatra ity. Voafehy ihany moa ny afo taorian’izay.

Hatramin'izao, tsy tonga ny fiara mpamonjy voina nampanantenain'ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin'ny fidinanany voalohany tany Sambava, taorian'ny nahalany azy ka nilazana tamin'izay fa « efa an-dalana ao ny anjaranareo » nefa hatramin'izao tsy nety tonga. Hay fampanantenana poak’aty !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT