Mamofompofona fitokonan’ny mpianatra ny eny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona.
Efa iray volana izao no tapaka ny fampianarana teny, noho ny fitokonan’ny mpampianatra mitaky ny handoavan’ny Fanjakana ireo tambinkarama efa voafaritry ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny tetezamita sy efa namoahana didy fampiharana, ary nanovan’ny minisitry ny fampianarana ambony nifandimby teo, fampanantenana fa hoefaina amin’izany. Niandry vasoka anefa ireo mpampianatra mpikarotra, hany ka nanenjana amin’ny fitokonana. Tetsy ankilany dia niandry ny hivahan’ny olana ireo mpianatra, ary manome hatramin’ny faran’ity herinandro ity hitadiavan’ny fanjakana vahaolana, raha tsy izany hiroso amin’ny fitokonana ihany koa izy ireo. Hisy fivorian’ny mpampianatra eny Vontovorana anio, ka izay no hamaritra ny zavatra hitranga eny amin’ny Polyteknika Vontovorona amin’ny herinandro ho avy io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.