Tsy mbola miverina ny fampianarana eny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona. Efa herinandro talohan’ny krismasy no niato ny fampianarana teny vokatry ny fitakian’ny mpampianatra ny handoavan’ny fanjakana ireo tombontsoany efa voafatry ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny tetezamita ary efa navoaka hanan-kery.
Mbola baraingo ny hiverenan’ny fampianarana eny, tsy mbola misy daty manangasanga. Manoloana izany, dia milaza ny hanao fivoriambe ny mpianatra amin’ity andron’ny alarobia 13 janoary 2016 ity. Inona no ho fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo, hanohitra ny fitakian’ny mpampianatra sa hanampy an’ireo farany hanery ny fanjakana hanafaingana ny fandoavana ny vola tambikaraman’ireto mpampianatra ireto ? Mety hafanafana ny toe-draharaha eny Vontovorona amin’ity anio ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.