Ambara fa miditra amin’ny fitsitsiana ny fanjakana, ka nahena ho 22 isa ireo mpikamban’ny governemanta, raha 28 teo aloha. Seho ivelany anefa no betsaka ao anatin’io raha tarafina amin’ny tena zava-misy marina.
Ny minisitera no nahena, fa ny akamakama namorona toerana mihitsy raha tsy hilaza afa tsy ry Pierre Houlder izay notendrena ho Tale jeneralin’ny raharaha ara-politika eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika sy i Augustin Andriamananoro ho Tale jeneralin’ny tetikasan’ny filoha, rehefa samy tsy tafaverina ho minisitra intsony. Tsaroana ny tenin’ny filoha tamin’ny fotoana nampahafantarana ireo mpikamban’ny governemanta, fa tsy voatery ho minisitra vao afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana, ka mety nisy nidongy sy tezitra tao ka tsy maintsy namoronana toerana izay mazava ho azy fa mampitombo ny vola mivoaka. Ny rehetra izany asaina mitsitsy sy ampandeferina, fa ny mpitondra ambony sy ny ekipany kosa dia toy ny manao fizarana mofomamy. Ny fahita amin’ny endrika fizarana seza ihany koa, dia tonga hatrany amin’ny fikitihana ireo teknisianina na olona mety ho ain-dehiben’ny minisitera mihitsy ny sasany satria tsy maintsy ampidirina ao ny namana. Fandanilaniam-poana ve hisy tahaka ny fividianana fiara raitra ana miliara maro. Milaza ny hividy angidimby miisa 5 ho avy afaka iray volana latsaka ny fanjakana. Hampiverina ny fandriampahalemana ve izany ? Inona ny fiantrakan’ny fividianana ireo fiara mpiady roa naderadera teny Mahamasina ? Mety te hampiseho ezaka ny fanjakana, saingy mila miainga avy any ambony foana ny ohatra mba tsy hilazan’ny maro azy ho mpitari-bato vilam-bava, ka hafa ny lazain’ny vava ary hafa ny tondroin’ny molotra. Ny famaritana ny laharam-pahamehana tokony hatao ihany koa toa hafahafa sy mampametra-panontaniana ny sasany hoe: tena ilaina ve ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.