Politique

Politikam-panjakana Mila hampihavanina amin’ny hetahetam-bahoaka


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

Mila alamina ny savorovoro misy eto amin’ny firenena amin’izao herintaona mialohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao, hoy ny AKFM (Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara).

Ady hevitra mbola misokatra hoan’ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena hatramin’izao mantsy ny lalàna mifehy ny fifidianana noketrehin’ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante). Tsy resy lahatra amin’ny fahaleovantenan’io vaomieram-pifidianana nasionaly mahaleotena io rahateo ny ampahany betsaka amin’ny hery velona eto Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin’ny AKFM Eric Rakotomanga. Mihevitra ihany koa ny tenany fa zava-dehibe ny fijeren’ny mpitondra ny fiainana mendrika kokoa tokony hisitrahan’ny vahoaka Malagasy manoloana ny fahantrana lalim-paka mianjady aminy. Laharam-pahamehana amin’izao fotoana ohatra ny fampihavanana ny politikam-panjakana tsy mifandraika velively amin’ny hetahetan’ny mponina. Antony manosika ny mpanohitra hitaky ny fialàn’ny mpitondra mialohan’ny fe-potoana voalazan’ny Lalàmpanorenana ankehitriny, araka ny fomba fijerin’ity mpitarika antoko ity, ny hantsana be mampisaraka ny vahoaka maro an’isa fadiranovana sy ireo ampahan’olom-bitsy migalabona amin’ny harem-pirenena.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT