Ireo maharaka tsara ny tantaram-pirenena sy ny politika ary ny fitantanana ny fanjakana dia mahafantatra tsara fa maro be ireo tsiambaratelo fantatry ny mpitondra, ary tsy azony zaraina amin'ny vahoaka, eny fa na dia amin'ireo minisitra ao anatin'ny governemanta aza.
Ny teny anefa raha foy manan'elatra, hoy isika Malagasy, koa misy ihany ny zavatra tafaporitsaka amin'ireny tsiambaratelo ireny. Mety tsy ho izy manontolo fa ny ampahany ihany. Tsaroana ohatra fa mialoha ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2006 ka nahavoafidy azy fanindroany dia mafy ny fanakianana an'i Marc Ravalomanana ary nanomboka niha natanjaka ny mpanohitra. Ireo izay nifanerasera matetika tamin'ity filoha teo aloha ity, dia nahatsapa tamin'ny 2006 fa misimisy ihany ny fotoana nahamora misafoaka azy, ary tsinjo tamin'ny endriny fa misy zavatra tena mampiasa mafy ny sainy. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa vantany vao voafidy ho filoha i Nicolas Sarkozy dia nantsoina maika hihaona taminy tao amin'ny lapan'i Elysée tao Parisy ny filoha Marc Ravalomanana. Nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy tany Alemaina ity farany tamin'io, ary tsy tao anatin'ny fandaharam-potoany ny ho any Frantsa kanefa dia tonga tany ihany izy. Ora iray teo ho eo no nifampiresahan'ny filoha mirahalahy, raha niresaka tamin'ny mpanao gazety avy eo ny filoha Marc Ravalomanana dia nanambara fa manga ny lanitra eo amin'ny fifandraisan'i Lafrantsa sy i Madagasikara ary hoporofoiny amin'ireo be resaka etsy sy eroa fa afaka miara-miasa tsara ny firenena roa tonta. Mbola naverina nandritra ny lanonana nitokanana ny By-Pass izany. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ilay fanambarana, satria efa hatramin'ny 1999 no fantatra fa sakay sy maso Ravalomanana sy Lafrantsa. Inona ary ny anton'io fanambarana io ? Anisan'ny asa nilofosan'ny fitondrana Ravalomanana ny fikarohana solika, indrindra fa amin'ny ilany andrefan'ny Nosy.
Be ny resaka tamin'izy io. Nambara fa nahazo avara-patana tamin'ny mpitondra tamin'izany fotoana ny orinasa Madagascar Oil izay miasa ao Tsimiroro sy Bemolanga, ary tompon'ny petra-bola be indrindra amin'io tetik'asa io. Tampoka teo anefa tamin'ny novambra 2008 dia lasa ny orinasa frantsay Total no manana petra-bola be indrindra tany Bemolanga ary nilaza fa hanolotra vola 10 tapitrisa euros ho fampandrosoana ny Faritra Melaky. Mbola nahagaga sy nahatalanjona koa io fivadihan'ny rasa io. Dia efa niaraha-nahalala ihany moa ny zava-nitranga rehefa tonga ny taona 2009. Nandritra ireny vanim-potoana nampamaivay ny fifanandrinana politika tamin'ny 2009 ireny dia efa nilaza tamin'ireo minisitra ny filoha Marc Ravalomanana fa misy zavatra hafahafa tadiavina hatao eto, misy ny vondron'olona mampiditra rongony mahery vaika sy fitaovam-piadiana. Efa niteny tamin'ireo mpiara-miasa akaiky aminy koa, ny filoha Marc Ravalomanana fa goavana noho ny eritreretin'ny maro ny tetika tao ambadiky ny hetsika notarihan'i Andry Rajoelina, ka mila fitandremana ny fandraisana fanapahan-kevitra. Izany, araka ny fandinihan'ny mpanara-baovao politika azy, no mety antony tsy nahavoasambotra an'i Andry Rajoelina mihitsy, tamin'ireny 2009 ireny, na dia efa nivonona ny hanao izany aza ny mpitandro ny filaminana. Ny GSIS moa no saika hisambotra azy tamin'ireny fotoana ireny.
Ny zavatra tsara homarihana ihany koa dia maro amin'ireo mpandraharaha Karana voatonona fa nanampy ara-bola an'i Andry Rajoelina tamin'ny 2009 no mizaka ny zom-pirenena Frantsay, ary nisinisy ihany koa ireo olon'ny Frantsay tao anaty fitondrana no nanafaingana ny fandrodanana an-dRavalomanana. Misy moa ireo milaza fa efa tamin'ny 2002 no nanomboka namolavolana ny tetika handrodanana an'i Marc Ravalomanana sy hanapotehana azy tanteraka mba tsy hahafahany miverina eo amin'ny tontolo politika eto Madagasikara intsony, noho izy sahy nanohitra ny fakan'ny orinasa Frantsay tombontsoa mihoapampana teto, sy noho izy nifampikasoka be loatra sy niara-niasa tamin'ny Amerikanina sy Alemana. Tsy misy ny kisendrasendra amin'ny politika sy ny diplaomasia iraisam-pirenena, ary misy antony ny zava-drehetra. Tsy tantara noforonina na angano araka ny hiheveran'ny sasany azy ny fisiana paikady hamotehana an-dRavalomanana sy hanakorontanana ity Madagasikara ity, ary tsy lavitra izany fihetsiketsehana rehetra izany i Lafrantsa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.