Na i Hery Rajaonarimampianina na Rajoelina dia samy mikofoka manorina sekoly, manao “kits scolaires”, mandray mpampianatra, manofana. manamboatra lalana, manamboatra fotodrafitrasa, miaro ny tontolo iainana,...
Hamboly hazo sy hametraka angovo azo havaozina e ! Ireo anefa dia efa tao anatin'ny MAP navoaka tamin’ny taona 2006 avokoa, ka nifantohana tamin’izany ny Madagasikara Voajanahary. Nifantoka kokoa tamin’ny fampivelarana ny fampandrosoana fa tsy nionona tamin’ny kirendrarendra. Nahatonga ny mpiara-miombon’antoka nahatoky sy tonga nampiasa vola teto. Ny rafitra rahateo moa dia i Marc Ravalomanana no nanomboka nametraka azy toy ny “guichet unique” na ny Birao ifoton’ny fananantany izay niarahana tamin’ny MCI, ny EDBM (Economic Board of Madagascar) natao ho tosika sy tantsoroka ho an’ny mpandraharaha, ny BIANCO ho an’ny ady amin’ny kolikoly, ny SAMIFIN hiadiana amin’ny famotsiam-bola ... Ankehitriny, dia laharana 161/190 isika amin’ny fahatokisan’ny mpandraharaha mpampiasa vola na ny “doing business”. Manampy trotraka izany ny fomba fiasa, toy ny fakana “architecte” vazaha ihany hamadika ho Miami an’i Toamasina ? kanefa io koa nanakianana an-dRavalo ho maka vazaha foana, kanefa ireny no manana ilay traikefa tadiavina. Isika no taitaitra sy tsy maharitra ary tia vao. Izao tara efa ho 15 taona amin’ny fampandrosoana tsy ho tratra indray ny tanjon'ny taona arivo ho an’ny fampandrosoana na ny ODD. Mitombina ny zavatra rehetra nataon-dRavalo momba ny ady amin'ny fahantrana sy ny fampandrosoana isam-paritra. Izay no maha mahay lavitra na “visionnaire” azy. Efa hitany tany amin’ny 20 taona lasa mialoha ny naha filoha azy izao atao izao. Mila mieritreritra tsara ny Malagasy fa tsy taitaitra isaky ny mihetsika. Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra. Miasa sy mamokatra dia mihinana sy miaina tsara, ary miezaka ny hivoatra sy hanana ambim-bava, fa tsy hampanofinofisina amin’ny ariary zato am-pandriana dia resy lahatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.