Politique

Politika sy fifidianana Mivonona amin'ny zava-drehetra ny TIM


  • Talata 15 Oktobra 2019

Na eto an-toerana na any ivelany dia efa vonona ny mpiara-miasa sy ny mpanohana ny kandida atolotry ny antoko Tiako i Madagasikara eto Antananarivo Renivohitra Rina Randriamasinoro,

 

 izay tena mampiseho fa vonona amin’ny lafiny rehetra. Manohy ny nataon’i Marc Ravalomanana amin’ny hoe tsy maintsy hetsehana ny Malagasy  na aiza na aiza misy azy mba hanampy amin’ny fampandrosoana ny tanàna sy ny firenena. Na ara-teknika na ara-politika dia miezaka mampiseho fahavononana. Raha ny tantara teto tato anatin’ny 20 taona aloha, dia ny antoko TIM no efa tena manana fototra ara-politika, ary raha teto Antananarivo dia ben’ny tanàna 3 izay ny azy, dia i Marc Ravalomanana, Patrick Ramiaramanana, Lalao Ravalomanana. Antoko anisan’ny niaina ny tantara tao anatin’ny 20 taona tsy niala mihitsy, ary afaka mandray lesona tamin’ireo làlana nolalovany rehetra hatramin’izay. Naongana, nogadraina ny mpitarika, nenjehina,... fa mbola io eo ihany. Antoko manana rafitra politika hatrany ifotony raha tarafina amin’ireo nifaninana taminy tato anatin’ny 10 taona, izay niovaova anarana isaky ny fotoam-pifidianana. Manomboka mampiasa ireo jokerany i Marc Ravalomanana sy ny TIM amin’izao raha tarafina amin’ny dian’ny kandida Rina Randriamasinoro tany ampitan-dranomasina, ka nahitana indray an’ireo tompon’andraikitra ambony tamin’ny fanjakana Ravalomanana toy ny minisitra teo aloha Ivohasina Razafimahefa manampahaizana Malagasy manana ny toerany eo amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), izay “chef de mission” an’ny FMI tany Togo, nijery sy nandinika ny fanomezana ny tahirim-bolan’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) ho an’io firenena io. Eo ihany koa ry Marius Ratolojanahary izay mpampianatra amin’ny oniversite any Etazonia. Miezaka maneho ilay sary, fa tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fiaraha-miombon’antoka raha tarafina tamin’ny fihaonana teo amin’i Rina Randriamasinoro sy ny ben’ny tanànan’i Alexandria, Virginia City Hall, Justin Wilson, ary tany Frantsa dia nitafa tamin’ilay depiote Frantsay-Malagasy Aina Kuric. Miezaka mampiseho hatrany ilay hoe : mahay, mahalala, mahavita,…

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT