Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.
Fantatra amin`izao fa ao anaty fivoriana ny antoko niarahana tamin`ireo mpikambana nandinihana ny fiainam-pirenena. Mijery ary mametraka paikady politika amin`izao izy ireo. Fotoanana fanomanana fifidianana kaominaly sy monisipaly izao ka maro ireo antoko mandray anjara. Tsy hita tabilao anefa izy ireo. Tsy mangina ny antoko fa mijery ny asan`ny fanjakana, hoy ny mpikambana iray ao anatin` ny antoko. Tsy midika faharesena ny fahanginana fa tafiditra ao anatin`ny paikady politika. Mamela malalaka ny fitondrana hanao ny asany sy ho tony ny antoko. Tsy hanao toy izay natao taminy ny taona 2014. Vao lany ny filoha Rajaonarimampianina dia nanomboka ny fanakorontanana maro samihafa sy famingampinganana. Ny HVM dia milaza fa tsy misafidy fanaratsiana. Nilaza ity mpikambana ity fa tsy misy intsony ny famatorana ara-politikan`ireo olona ireo. Navelan`ny antoko malalaka izy ireo. Inona ny sata mifehy azy ireo eo anivon` ny Minisoteran` ny Atitany ? Mpanohatra tokoa ve ? Marihina fa manana anjara seza ity antoko ity ao anatin`ny vondrona Rodoben` ny Mpanohitra ho an`ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) saingy tsy mbola nisy fanambarana ampahibemaso. Ny azo antoka kosa anefa dia hiverina an-tsehatra eo amin`ny tontolo politika ny antoko tsy ho ela.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.