Politique

Politika sy fiainam-pirenena Hanavao ny paikadiny ny TIM


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Hamory ireo tompon'andraikitra sy lohandohan’ny mpisorona ao aminy ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ny alarobia 26 febroary ho avy izao.

 

 

 

Misy ny fanasan’i Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny antoko ireo birao politika, olom-boafidy, REGTIM, DISTIM, COMTIM rehetra etsy amin'ny Yandy By Pass amin’io fotoana io.
Haseho amin'io ny Sekretera jeneraly vaovaon’ny TIM izay vao notendrena, dia i Rina Randriamasinoro sy ny ekipa mpiara-miasa aminy, ireo ben'ny tanàna vaovao ary ny mpanolotsaina lany tamin'ny anaran'ny antoko, araka ny fampitam-baovao. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny TIM ny fanamafisana orina ny rafitry ny antoko isam-paritra. Taorian’ny fifidianana nisesy dia maneho hatrany ny antoko naorin’i Marc Ravalomanana fa velona sy miaina ary mandray anjara mavitrika amin’ny raharaham-pirenena. Manavao sy manova paikady, ka hita taratra io amin’ny fitarihana sy fandrindrana ny antoko, izay toa manomboka mirona tsikelikely mankany amin’ny fampitana fanilo. Andrasana amin’io izay mety ho fanambarana sy fanehoan-kevitry ny TIM manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, indrindra ny tohin’ny raharaham-pifidianana izay tsy nahafa-po azy ireo, ka nametrahany fitoriana any amin’ny filankevi-panjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT