Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.
Raha ny tena izy dia anjaran’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) io ka tokony hilaza ary tsy maintsy hilaza izy, hoy i Marc Ravalomanana. Mila mandinika tsara ny Malagasy, araka izany. Nahoana no omena vola 1miliara ireto governora ireto hiasany ? Ny kaominina anefa tsy nomena ny fanampiana ara-bola tokony ho azy. Tsy maintsy “bouclé” tsara aloha ny famatsiam-bola izay ianao vao manao tetikasa, ary tsy maintsy vita aloha ny fanadihadiana ara-tontolo iainana. Eo ihany koa ny fanadihadiana ara-tsosialy. Ara-teknika, tsy azo totofana Ambohitrimanjaka. Ho difotry ny rano eto isika, hoy izy manoloana io raharaha io izay tena mafana amin’izao. Mila mandinika ny Malagasy satria misy olana politika sy sosialy eto, ary raha tsy misy ny fitoniana politika tsy hisy zavatra hanjary eto. Misy ny fifampiresahana amin’ireo olona hanaovana ny fotodrafitrasa dia mifampiresaka, raha ny nambarany, ary tokony hisy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana. Momba ny fifidianana ben’ny tanàna kosa, dia novakiany bantsilana ihany koa omaly fa misy sefom-pokontany manohana kandida. Aza manery anay ianareo hanao izay hihintsanan’ny kandidanareo satria tsy azo atao io resaka lehibem-pokontany miandany io, ary tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany, hoy izy. Samy mahay lalàna eto fa tsy ianareo irery no mahay. Sao dia heverinareo fa tsy hitanay ireny sefom-pokontany ireny. Rehefa hifaninana dia ataovy amin’ny ara-dalàna. Tsy matahotra isika ary tanànantsika eto, fa mila mailo, hoy izy mantsy ny mpiara-dia aminy. Ireny sefom-pokontany miandany ireny ihany no manova lisi-pifidianana sy mankany amin’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato dia manamboatra azy eo, raha ny nambarany. Arahina araka ny lalàna ireo sefom-pokontany, fa aleo aloha handeha. Tsy maintsy iadiana izany, ka rehefa ny vahoaka no mijoro sy miteny, dia ho hitan’ny havany eo ireo avy eo, hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny TIM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.