Politique

Politika Niditra an-tsehatra i Dadasamy


  • Alarobia 14 Martsa 2012

Tapa-kevitra ny hiditra eo amin’ny sehatry ny politika ihany nony farany i Andrianasolo Samuel na i Dadasamy izay fantatry ny maro, indrindra ny any Ihosy Faritr’Ihorombe amin’ny fikarakarana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena.

 Nisafidy ny hiditra ao amin’ny antoko MTS (Malagasy Tonga Saina) aho, hoy izy, noho ny tarigetrany izay miompana amin’ny asa sosialy sy ny fanomezan-danja ny soatoavina Malagasy. Tsy lazaina intsony koa ny fanampian’ity antoko ity ny sehatry ny fanatanjahantena, hoy i Dadasamy. Mpandrindram-paritry ny MTS any Ihorombe i Dadasamy ary noho ny fahafantaran’ny olona azy eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana any an-toerana dia tsy nisalasala ny vahoaka nanohina ny antsony hiara-dia ao amin’ny antoko ary efa tapitra ahitana mpikambana MTS avokoa ankehitriny ao amin’ireo Distrika telo any Ihorombe. Nambaran’i Dadasamy fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hifandimby ny antoko. Izay no azoko ambara, hoy izy, fa ny ankoatra izay dia anjaran’ny filoha nasionaly Roland Ratsiraka no milaza azy. Izy izay miady mafy amin’ny tombontsoan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao ary maniry ny fihavanan’ny samy Malagasy ka izany no tsy ialan’ny MTS amin’ny sori-dalana vita sonian’ny ankolafin-kery rehetra eto amin’ny firenena.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT