Efa noresahana teto fa hita taratra ho miha manara-dia ny fomban’ireo mpitondra teo alohany ihany ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, amin’ity fomba fanaovana politika
manilika mpiara-mitolona ity. Anisan’ny velon-taraina manoloana ny firafitr’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina atolotry ny vondrona politika IRK izay miaraka amin’ny filoha ankehitriny ny kandida mahaleontena ao amin’ny kaominin’ambanivohitr’Ambohimangakely, Del Christo. Ny ben’ny tanàna am-perinasa nirotsaka tamin’ny anaran’ny antokon’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, na HVM ny taona 2015 moa no natolotry ny IRK ho kandidany ao amin’ity kaominina ity ho amin’ity fifidianana ben’ny tanàna ho avy ity. Ity ben’ny tanàna ity izay efa nitondra ny anaran’ny antoko TIM ihany koa tamin’ny fitondran’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ary efa mpikambana teo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM. Tsy ny ao Ambohimangakely ihany no hisian’io tranga io, raha ny fanazavany, fa kaominina maro manerana ny nosy. Tsy mahasakana amin’ny finiavana handray anjara biriky amin’ny fampandrosoam-pirenena anefa ny zava-misy, raha ny nambarany, ary efa zatra niharitra sedra maro ny tenany amin’ny maha taizan’ny Mompera Pedro azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.