Politique

Politika maloto Vonoina ny olon’ny TIM


  • Sabotsy 05 Aogositra 2017

Miisa 4 ireo olon’ny antoko Tiako i Madagasikara no maty na novonoina tamin’ny fomba feno misitery tao anatin’ny volana vitsy.

 Novonoina tamin’ny fomba feno habibibiana ny ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny TIM tany Bemokotra, distrikan'i Maevatanàna ny 12 jona 2017 lasa teo. Isan’ny andrin’ny antoko any amin’iny faritra iny izy tamin’ny fahavelomany. Tokarak’izany ihany koa ny ben’ny tanànan’Ampefy, izay notafihina sy nesorina tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka ny ainy ny 8 jolay. Olona efa tao anatin’ny antoko ihany i koa Mamy Rakotoarivelo, izay mifamahofaho tanteraka ny fomba nahafaty azy ny 28 jolay, ary miteraka ady hevitra. Teo ihany koa ny Minisitra teo aloha Tsiandopy Jacky Mahafaly, izay novonoina tao an-tranony ny 30 jolay. Mahalasa saina ny zava-misy hoe fifandrifian-javatra fotsiny ve sa misy ambadika politika hoenti-mamotika tsimoramora ny antoko TIM izao toe-javatra izao? Toa saika ny olon’ity antoko ity hatrany mantsy no lasibatra sy iharan’ny herisetra tsikelikely. Atomotra ny fifidianana, ary isan’ny antoko matanjaka sy manana fototra hatry ny ela ny TIM satria hatrany ambany ravin-kazo rehetra any no mipetraka ny rantsan’ny antoko TIM, toy ny hoe FOKTIM na TIM eny amin’ny fokontany sy ny DISTIM, izay mipetraka sy tsy nety maty hatramin’ny taona 2002. Ka izany tanjany izany ve no hamotehana azy sao izy no mandresy amin’ny fifidianana manaraka ?

Ampanginina

Ahiana ho famotehana na fandripahana ireo manda iankinan’ny Antoko ny zava-misy, ary toa mampitombina izany izao famonoana misesisesy izao. Mikasika an’i Tsiandopy Jacky Mahafaly, ohatra, dia voalazan’ny loharanom-baovao, fa nifampiresaka momba ny hanatanterahana ny Kongresin’ny Antoko any amin’ny faritra Sava izy sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, saingy izy lasa nodimandry iny.  Manampy izay dia  toa nifanojo tamin’ny antsojay natao tamin’ny antoko amin’ny fanamarihana ny faha-15 taonany mantsy ireny zava-doza isan-karazany nisesisesy ireny. Ho lasa kolontsaina sy fomba fiady politika eto amin’ny firenena ve izany ny famonoana olona mba hampangina azy na ho famotehana ny tanjany ara-politika? Maro ny mihevitra ihany koa fa tahotra ny resaka fifofoana ny ainy no antony mampangina tanteraka an’i Andry Rajoelina  amin’izao fotoana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT