Politique

Politika, krizy Hanaovana katro-doha eny amin’ny Carlton


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Mikarakara atrikasa momba ny politika sy ny krizy miverimberina eto Madagasikara eny amin’ny hotely Carlton Anosy manomboka anio alatsinainy ka hifarana alarobia izao ny IEP (Institut d’Etudes Politiques).

 Hifantohan’ny dinika sy ny fifanakalozan-kevitra mandritra izany ny antony mahatonga ny krizy eto Madagasikara sy ny mety ho vahaolana hamahana izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny IEP sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny Liberty 32 ary ny ATW Consultants ity hetsika ity. Mila atao ny zavatra tahaka izao satria misamboaravoara ny politika sy ny fomba fanaovana politika eto amintsika, hany ka tsy misy mihitsy ny mpitondra mahavita manatanteraka asa fampandrosoana. Rehefa tena atao ny kajy dia toa mihemotra indray aza i Madagasikara. Tsy maintsy politika anefa no hitantanana ny firenena, tsy nolovaina tamin’ny razambe akory na natao ho fanangonan-karenam-pianakaviana ny fanaovana politika fa tena ianarana, halalinina ifantohana ary natao handaminana ny fiarahamonina sy ny firenena amin’ny ankapobeny. Mikorontan-dava isika satria tsy milamina ny fanaovana politika eto, leo politika ny olona dia miraviravy tanana fa tsy manara-maso akaiky ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tia tena ny mpanao politika dia manao izay tiany rehefa fantany fa azo vidina isaky ny dimy taona ny safidim-bahoaka. Mifampiankina ny zava-drehetra ary samy tompon’andraikitra ny tsirairay. Na hanova mpitondra isaky ny mihetsika eto aza isika dia tsy handroso sy hanana fiainana mirindra mihitsy rehefa tsy matotra io fomba fanaovana politika io. Ny mampalahelo koa anefa dia efa maro be ihany izay fihaonana, fikaonan-doha, loabary an-dasy, zaikabe, kongresy natao momba ny politika izay fa tsy misy fivoarana fa toa vao miha aza mamba noana ny mpanao politika, kitoatoa ny fitantanan-draharaham-panjakana, manjaka ny gaboraraka nitombo ny kolikoly. Midika izany fa ny toe-tsaina mihitsy no mila miova, ary tokony samy ho tonga saina ny rehetra fa mila fandraisana andraikitra sy asa ity fampandrosoana ny fiainan’ny isam-pianakaviana sy ny firenena ity fa tsy vitan’ny resabe ambony latabatra fotsiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT