« Antoko velona, miaina ary vonona ny hisehatra amin’ny fiainam-pirenena ny antoko HVM ».
Io no nivoitra nandritra ny fivoriambe izay nataon’ny antoko ny sabotsy lasa teo tetsy Andraharo. Nandritra izany fihaonana izany dia nisy ireo fehin-kevitra nivoaka izay hamaritra indray ny fiainan’ny antoko amin’ny ho avy. Manana soatoavina sy ny sata ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) ary tafiditra tanteraka amin’ny fanajàna ny demokrasia, hoy i Mohamed Rachid, sekretera jeneralin’ny antoko HVM. Ny fiainan’antoko iray, hoy izy, dia tsy voatery hofaritana ao amina fifidianana iray fotsiny fa tokony handray anjara amin’izay fifidianana manaraka. Resy ny HVM nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Tsy nanome toromarika kosa ho an’ny fihodinana faharoa fa nanome alalana ny mpikambana amin’izay hotohanany. Tsy nandray anjara koa tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Ny fiainan’ny antoko mantsy dia mitaiza ny mpikambana ao aminy. Laharam-pahemahana ny hanarina sy hiantso ny fototra rehetra mba hifandinika amin’ny fanohizana ny fiainan’ny antoko, hoy hatrany izy. Tapaka ary fa handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny antoko HVM manomboka izao. Araka izany, nanambara i Rivo Rakotovao, mpikambana eo anivon’ity antoko ity fa misy ny soatoavina hijoroan’ny antoko ary efa hita fa miala amin’izany ny fomba fitantanana ankehitriny. Miala amin’izany ihany koa ny fiarovana ny tombontsoan’ny firenena ary lasa famakivakiana ny Malagasy. Noho izany, tsy maintsy mijoro manohatra ny HVM. Nilaza ihany koa izy fa raha misy ny hivavahana amintsika fa miroso amin’ny fampandrosoana mba hahazoan’ny rehetra tombony. Raha voatohina izany dia izay no hijoroanay mpanohitra raha misy tsy mifanandrify an’ izany eritreretinay, hoy ihany izy. Nohamafisiny hatrany fa tsy mpanohitra bontolo fa hikatsaka ny tombontsoa ny rehetra ka izany no hijoroan’ny mpanohitra. Ny harivan’ny kongresy moa dia hita teny an-toerana ny solontenan’ny birao maharitry ny Rodoben’ny Mpanohitra (RMDM). Ny antoko HVM moa dia efa nahazo antso mba handray ny toeran’ny filoha lefitra faritanin’Antsiranana saingy namaly foana hoe « mbola miandry ny fotoana ny zava-drehetra ». Mazava ny amin’ny antoko fa navela niasa malalaka ny fanjakana ka tomponantoka irery amin’izay ataony ny mpitondra ka tsy afaka mifaninlika andraikitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.