Maro amin’ireo mpikambana ao anaty antoko politika na mpitarika no mivadibadika palitao noho ny tsy fahamarinan-toerana sy tsy fahamatorana,
hoy ny fanazavana nentin’ny Vondron’Olon-Tsotra ( VOT).. Nandritra ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena, misy hatrany ny fivadibadihana antoko na loko politika ary saika maka endrika lokon’izay mpitondra eo izy ireo. Na misy aza ny fivadihan’ireo mpanao politika dia tsy tokony hitarika any amin’ny fifandrafiana ny fihetsika tahaka izany. Ilay fomba fanaovana politika mihitsy no tsy mipetraka sy tsy marin-toerana, hoy ny fanazavana. Nambaran’ny VOT fa tsy azo ametrahana fitokisana intsony ny mpanao politika mivadika tahaka ireny, izay efa hitam-poko sy firenena ireny. Izany no mahatonga ny olom-pirenena sahy miteny sy milaza fa leo mpanao politika izy ireo. Ilaina ny fanabeazana ny olom-pirenena, indrindra fa ireo mpanao politika mpitady seza sy mpitady tombontsoa manokana. Raha tiana ho mari-toerana ny firenena iray amin’ny fanaovana politika, dia mila mijoro sy mitazona ny heviny ny mpanao politika fa tsy manao tanalahy miova loko sy manaran-drenirano ny fitondrana fotsiny.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.