Politique

Politika eto Madagasikara Lalao maloton’ny mpanam-bola sy ny mahitahita


  • Zoma 08 Martsa 2019

Mihisatra ny fanolorana anarana depiote avy amin`ireo antoko politika. Ny paikady ve no mahatonga izany? Amin’izao ankatoky ny fifidianana depiote izao, tsara ny mijery ny etika sy ny fanaovana politika eto Madagasikara.

 

 

 

Ny zava-misy amin`ny politika eran-tany, ny mpanao politika dia miaina ao anatiny tanterala ary izay no asany. Mijery ny tombontsoan’ny firenena izay atao ao anatin’ny antoko politika mazava. malaza ratsy amin’ny fitiavam-bola sy ny fanaovana kolikoly ny mpanao politika eto Madagasikara, ka mahatonga  ny olona tena ho leo politika. Tsy maintsy mila mpanao politika anefa ny firenena iray, saingy mpanao politika miasa tokoa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena ary tsy maintsy manana fitondran-tena maodely eo amin’ny fiarahamonina. Iaraha-mahalala rahateo fa mbola tena itambesaran’ny fahantrana ara-tsaina ny vahoaka malagasy, indrindra eo amin’ny lafiny politika, hany ka na maniry ohatry ny anana aza ny antoko politika eto Madagasikara, dia tsy manao ny adidiny amin’ny maha antoko politika azy izy ireny, amin’ny ankapobeny, dia ny fifampitaizana eo amin’io lafiny politika io, ny fanabeazana ara-pôlitika indrindra indrindra. Ny sasany aza, rehefa fotoam-pifidianana ihany vao mitranga, raha toa ka efa tsy re amam-polo-taonany. Tokony angatahan’ny vahoaka koa ny zava-bitan’ny antoko politika tsirairay avy eo amin’ny anjara andraikiny marina. Fa inona moa izany anjara andrikiny izany? Ny andraikitry ny antoko politika dia ny mampiofana ny mpikambana ao anatiny ary manabe ny vahoaka ho olom-pirenena vanona. Amin’ny ankapobeny, ny antoko politika dia natao hivoy foto-kevitra fa tsy vola na fitaovana, na foto-drafitrasa. Vokany, tsy mahafehy loatra, tsy mahafantatra akory aza, ny atao hoe: pôlitika ny vahoaka. Ny fanaratsiana ny politika sy ny fanaovana politika aza no tena nandotoana ny sainy, mba hahatonga azy tsy hankasitraka sy handalina loatra ny tontolon`ny pôlitika. Ho an’ny sarababem-bahoaka dia tahaka ny hoe: lalao maloton’ny mpanam-bola sy ny mahitahita izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT