Politique

Politika avo lenta Miady an-trano ny mpitondra


  • Talata 14 Janoary 2020

Toekarena mihemotra, fiainana ara-tsosialy mihasarotra, tsy fandriampahalemana mampikolay, fiainana ara-politika tsy milamina, demokrasia voahitsakitsaka, diplomasia tsy mandeha

 

 

 

 amin’izay laoniny … no mamaritra ny fiainam-pirenena ankehitriny. Betsaka ny fampanantenana saingy ny resaka no betsaka. Nambara fa efa niomana nandritra ny 4 taona ny filoha, efa vonona ny ekipa rehetra fa ny fahazoana fahefana sisa andrasana. Ny tranom-pody anefa no vita amin’ny vava, hoy ny fomba fiteny. Mitady “cerveaux” na olona manan-tsaina sy fahalalana afaka ny hanampy hivoahana amin’izao fahasahiranana sy tsy fahombiazana izao ny fitondram-panjakana. Zava-dehibe izany ary na tsy miaiky mivantana aza fa misy zavatra tsy mandeha eto dia efa fahatsapana lehibe io fa tena mihisatra na mikatso ilay masinina haingam-pandeha. Maro no tsy mahavita azy ao anaty fanjakana ao, ary toa sasatry ny mamono afo ny fanjakana eo anatrehan’ny olana misesisesy. Tsy tena hita ihany koa ny firaisankina sy firaisan-tsaina ao anaty fitondrana, hany ka ratsy endrika hatrany ny mpitondra. Nisy olana ny resaka vola tokony homena ny mpiasam-panjakana, dia minisitera na minisitra iray no hatao lasibatra sy henjehin’ny governemanta na minisitra hafa hatao sorona, kanefa ny rehetra samy voakasika daholo. Mandeha ny fifidianana, dia samy mandrotsaka ny olona ny lehiben’antoko sasany ao anaty governemanta tahaka ny MMM an’Atoa Hajo Andrianainarivelo sy ny Freedom an-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy. Raikitra mihitsy ny gidragidra eo amin’ireo samy antoko ao anaty fitondrana, toy ny fifidianana any Faratsiho hifanolanan’ny IRD sy ny MMM. Samy te haneho ny tanjany sy hilaza fa manana olona sy fahefana hahafahana mitazona ny toerany na koa hanaovana takalon’aina ara-politika. Mety ho paikady politika, saingy taratry ny efa tsy firaisan-tsaina intsony fa toa samy mitady ny tombontsoany, dia samy mikepoka izay azony mba tsy hilazana fa mifanangana fanjakana kely ao anaty fanjakana be. Lojika raha mikatso ny firenena ary tsy ny mpanohitra no olana fa toa ireo manodidina ny filoha ihany no mety ho sakana ho azy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT